Politique

Magro Behoririka Mandady ny trambo


  • Talata 14 Septambra 2010

Miditra kianja ao amin’ny Magro Behoririka ireo mpandrava laka rehefa avy nampipatitaka tsimoramora ireo antoko mandrafitra ny Ankolafy Telo.

Tetiky ny mpanjanatany ny hampizarazarana ny mpifanandrina, hampalemy azy ka tsy hananany hery intsony ary dia ho kivy mora foana ny mpiara-dia, indrindra ireo tsy mijoro ara-potokevitra tsara. Lasibatra tamin’io ny Arema, ka nipoitra indray izany “Direction Collégiale” misy an-dry Razaka Robert izany taorian’ny nijoroan’ny MDM (Mientana ho an’i Demokrasia eto Madagasikara) tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo. Voa koa ny HPM (Hery Politika Mitambatra), ka nisintahan-dry Ralison Roger sy ry Henri Lecaheur. Tratry ny viriosy koa ny Tiako I Madagasikara, na nisy elatra Raharinaivo tampoka izay nisandoka ny anaran’ny antoko amin’ny fifampidinihana hahazoana seza any ambadimbadika any. Tsy nahalefy ny hetsiky ny vahoaka teny an-kianja anefa izany. Tsy teto Antananarivo ihany, fa hatrany amin’ny faritra ihany koa. Tsy hitan’ny FAT izay hevitra, na dia impolo kely aza no nambara ampahibemaso natao ho ren-tany ho ren-danitra tamin’ny haino aman-jery ny handravana ireny fihetsiketsehana ireny.

Nisy ny niainga avy ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ka nilazan’ny jeneraly Camille Vital, fa horavana izay fihetsiketsehana manohintohina ny fitondrana FAT. Dia nohamafisina indray koa teny Ivato raha nanao sonia ilay fifanarahana politika ny ESCOPOL sy ny UDR ary i Andry Rajoelina, fa atsahatra avokoa ny fihetsiketsehana politika rehetra manomboka izao, raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Toa rano natondraka ambohon-gisa avokoa anefa ireny, fa vao mainka nampahazo vahana ny hetsika tao amin’ny Magro. Ankehitriny aza tonga hatrany Vohémar (SAVA) manao ampamoaka mikasika ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fanaovana ampihimamba ny fitantanana ny tetezamita ny Ankolafy Telo. May volontratra ny andaniny, ary mitady ny fomba rehetra hitsofohana ao anatin’ny tolona handravana azy ity. Nandramany ny fandranitana adim-poko saingy tony fihetsika ny vahoaka mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna, ka tsy nahomby izany. Izao dia mandeha indray ny tondro molotra. Eo no tokony hahamailo.

Resaka tendrom-po tsy mba namana mantsy dia mety hitondra any amin’ny fikasihan-tanana, toy ny nitranga omaly tao Behoririka. Ny zava-doza anefa dia ny fihetsika toy izay no miantso mpitandro filaminana. Ary tsy azo sakanana amin’izany ireto farany satria korontana no handraisany ny zava-mitranga ary dia horavany tsotra izao ny fivoriana. Mety ho tsinjon’i Mektoub El Camille izany ka nilazany omaly fa “izao (sahotaka) no tsy mbola mampahomby ny tolona satria filaminana sy fifankatiavana no ilaina fa tsy mamaly faty”. Ny fihetsika toy ireny, hoy izy, dia manome vahana ny Emmo-Reg handrava ity hetsika ity, nefa “tsy mpamono olona anefa isika”. Tsy nihambahamba i Mektoub El Camille niteny fa “misy mamadika ny tolona na ao amin’ny ankolafy Zafy, na Ratsiraka na Ravalomanana”. Na izany aza anefa dia ny depiote voafidy tao Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin, no namaly ny ahiahy fa “na iza na iza hamadika, ny tolona tsy maintsy ho vita”. Hitohy anio eny Behoririka ny hetsika.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT