Niray feo ny mpandala ny ara-dalŕna tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka omaly fa dia tsy manan-kambo ny filohan’ny FAT.
Tsy mbola maina akory ny ravina nihinanana nanaovana vavabe tamin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena dia lasa nidodododo indray any Tanzania i Andry Rajoelina, hoy i Zafilahy Stanislas. Tokony ho menatra ireo mpanohana azy satria anarany fotsiny mba nampakarina galona, nefa olona toy ireny no tohanana.
Raha ny fanazavana, hoy ihany i Zafilahy Stanislas dia nampanantsoin’ny SADC i Andry Rajoelina taorian’ireny vava tsy ambina nataony tamin’ny 09 janoary teny Iavoloha ireny. Remenabila aza tsy voasambotra ka ny sehatra iraisam-pirenena no tsy ahaiza-miaina, hoy ihany i Zafilahy Stanislas izay nanamafy fa tsy maintsy hiverina eto ny marina sy ny ara-dalàna. Raisintsika vahoaka ny andraikitra hamerenantsika azy amim-boninahitra hitondra ny tany sy ny fanjakana”, hoy izy. Tetsy ankilan’izany kosa dia izay manakana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana dia fahavalon’ny tolona, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato izay nanamafy fa tsy maintsy vitaina ny tolona na inona na inona hiseho ary dia nanao antso ny tenany hanambarana ny hery.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.