Mafana ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka na dia eo aza ny sakantsakana manana endrika fampihorohoroana mihatra amin’ny Ankolafy Telo mifampizara vaovao sy mitaiza ara-politika ny mpiara-dia aminy ao amin’ity toerana ity.
Vao maraina omaly dia efa nitoby teny amin’ny manodidina ny Emmo-Reg tamin’ny kamio sy fiara 4x4. Tsy nanakana ny olona ho avy maro anefa izany. Ny Rév Satrobory aza moa nanambara fa ny mpitari-tolona dia tsy matahotra fonja sy fahafatesana satria afom-pitiavan-tanindrazana sy fanavotam-pirenena no manesika azy. Nanamafy ny voalazany ny depiote Mektoub, nilaza fa matoa kianjan’ny Finoana ny anaran’ity toerana fivorian’ny Ankolafy Telo ao Behoririka ity dia olona manam-pinoana no tonga ao, finoana fa handresy amin’ny tolona atao dia ny hamerenana ny ara-dalàna.
Tamin’izay koa no nanamafisany fa raha tsy mbola mipetraka ny rafitra Maputo dia tsy hisy zavatra hanjary eto. Voaresaka betsaka nandritra ny hetsika omaly tao amin’ny Magro Behoririka io ny fihaonambem-pirenena tanterahin’ny FAT izay naniraka ny Raiamandreny Mijoro eny Ivato. Ireo mpandaha-teny ary dia samy nilaza fa tsy manan-danja io fihaonambe io raha tsy miatrika ny filoha telo lahy voafidim-bahoaka, mivoaka ny fonja ny gadra politika rehetra. Na ny radion’ny Frantsay aza nilaza fa mitanila io, hoy izy ireo. I Mektoub aza moa nanitrikitrika fa ny fanonganam-panjakana nitranga teto tamin’ny martsa 2009 mihitsy no sakana ary tsy aneken’izao tontolo izao io zavatra atao eny Ivato io ary tsy ankatoavany ny fitondran’i Andry Rajoelina. Koa lany andro fotsiny ihany izay mivory eny, fa tsy hamaha velively ny krizy io. Jereo, hoy izy fa na tsy misy afa tsy izy samy izy aza dia saritaka sy savorovoro isan’ora sy isan’andro no mitranga eny Ivato, satria mifamitapitaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.