Politique

Magro Behoririka Madio tanana ny Dadanay !


  • Alatsinainy 11 Jolay 2011

Niavaka tamin’ny fandraisam-pitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 9 jolay ny fiakarana an-tsehatry ny solontena maromaro avy any amin’ny Faritra toa an’i Toliara, ny avy any Faratsiho, ny avy any Antsirabe ary ny solontenan’i Moramanga.

 Nampiseho ny talentany ny tanora iray avy any Antsirabe namaky tononkalo telo voarindra tsara sy nitondra hafatra mafonja hoe : «Halaviro ry tanora ny hevitra fandraisana an-tanana ny firenena fa mbola misy raiamandreny mahavita eo, ireo aloha hajaina dia mijanona ho teknisianina mifanome tanana». Tsy ambakan’izany ny lahateny feno hainteny sy teny an-kolaka fampieritreretana tena manavanana ny Depiote Rakotomiandrisoa Jean Ernest voafidy tao Antsirabe I. «Tsy maniry fifidianana ny vahoaka any Antsirabe fa ny fiverenan-dRavalomanana aloha no fantany». Marihina fa efa niditra am-ponja tamin’izao fitondrana FAT izao koa ny tenany. Vaovao hafa avy any Vakinankaratra nambaran’ity Solombavambahoaka TIM ity ny nisavana indray ny TIKO tao Andranomanelatra fa sao, hono, dia miafina ao i Marc Ravalomanana ary natao tsara ambina koa ny «podium» tamin’ny 26 jona fa sao dia mikabary ao, hono, ny filoha Ravalomanana. «Tsy mahalala ny Dadanay tokoa ianareo. Nampisotro ronono anay izy ary madio tanana ka tsy hiditra an-tsokosoko izany satria efa ela no vonona hitsena azy ny zanany ary rehefa mikasa zavatra i Dada, tsy misy mahasakana azy», hoy i Ernest. Mikasika izay fitsenana an’i Dada izay dia nanambara ny solontenan’i Moramanga tamin’io sabotsy io fa vonona tanteraka ry zareo hitsena an’i Dada ary an’arivony maro no ho avy eto.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT