Politique

Magro Behoririka I Dada tonga eto no fantany


  • Alakamisy 17 Janoary 2013

“Tsy olana na hirotsaka na tsia i Andry Rajoleina fa ny antsika dia izao ihany : tanterahina an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana, ao anatin’izany ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna, ny fahafahan’ireo sesitany politika miverina an-tanindrazana, ny famoahana ireo gadra politika, ary ny famohana ireo haino aman-jery”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime, raha nandaha-teny tetsy amin’ny Magro omaly.

 Hiantohan’ny sori-dalana izay efa navadika ho lalàna mitondra izao tetezamitatra izao ireo, hoy izy nanamafy. Momba ny fampiharana ny andininy faha-45 dia nambarany fa tsy matahotra izany ankolafy Ravalomanana. Niantso ny tenany hametrahana fitsarana tsy mitanila hitsara ny “raharaha 26 janoary 2009” izay fanimbana sy fandrobana fanan’olona, hitsara ihany koa ny “raharaha 7 febroary 2009” izay famonoana olona ka iantsoana ireo vavolombelona rehetra, hitsara ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra izay nibodoana tanin’olona, ny amin’ny fanamboarana ny totohabaton’Antaninarenina izay nambara fa volan’i Andry Rajoelina manokana. Azo atao ny manao “expertise” ny fananan’ny filohan’ny FAT sy ny orinasany, hoy ihany Ralaiseheno Guy maxime. Sinema no betsaka, hoy izy kanefa tsy andrankandrana na kitoatoa ny fiainam-pirenena.

Tetsy andanin’izany dia nanambara ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana fa niaiky i Andry Rajoelina iny alin’ny talata iny fa mpanongam-panjakana. Tsotra ny resaka, hoy izy dia ny fahatongavan’i Dada eto dia hanomboka ny politika vaovao. Efa tsy ho ela izany ary mino sy matoky ny filoha Marc Ravalomanana isika amin’ny zavatra ataony, hoy ihany Ravelonanosy Mamy Tiana. Nasiany resaka koa ny nanafihan’ny andian-jiolahy ny filohan’ny FJKM, Pastera Rasendrahasina Lala Haja. Efa tsy rariny intsony, hoy izy hoe raiamandreny ara-panahy, raimandrenin’ny Malagasy rehetra no atao toy izao. Ireny koa dia midika fa tsy misy fandriampahalemana eto ka niantso ny SADC ny tenany handray andraikitra haingana satria mila fitoniana politika i Madagasikara. Nanaitra ny hambom-pon’ny Malagasy koa ny tenany raha toa ka hijanona hanaiky toy izao foana.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT