Fisehoana ivelany no betsaka ny an-dRajoelina, hoy i Zafilahy Stanislas. Nosinganiny ny filazana fa nanomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe.
Hatramin’izao anefa, araka ny fanazavany, dia tsy mbola nokitihina izany lalana izany, hany ka ora roa sy sasany no lany hamakivakiana lalana 60km monja. Tsy hijanona ny tolona raha tsy tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy ary amin’ity anio ity, izay hifamotoanan’ireo mpitondra amin’ny lanonana eny Iavoloha dia hampiditra” 4ème vitesse” ny Zanak’i Dada. Na inona na inona ho fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina, hoy ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana dia tsy hijanona ny hetsika. Raha hiala amin’ny sori-dalana ny FAT dia fihantsiana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary dia ho sahirana. Ho sahirana koa anefa raha handeha irery amin’ny fifidianana.
Ny sori-dalana, hoy ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana no mamerina ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ; ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa dia efa nanapa-kevitra ary mahalala fa tsy misy vahaolana afa-tsy ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ihany. Ao anatin’ny fanohizana ny tolona dia tsy hijanona amin’ny resaka movansy na ankolafy intsony fa ireo rehetra mpomba an’i Marc Ravalomanana na ny Pro-Ravalomanana no hanambatra ny heriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.