Politique

Magro Behoririka Hamoaka lisitry ny mpanondrana “bois de rose”


  • Alakamisy 21 Jolay 2011

Nametra-panontaniana ny amin’ny zava-mitranga ankehitriny ny mpitolona etsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Matahotra ny CPI angaha no mitsoaka any ivelany i Andry Rajoelina sa manao vakansy mandany volam-panjakana ? «Na mitsoaka na tsia, rehefa mitsaitsaika dia misy antony ao», hoy i Dominique namaly izany. Any amin’ny resaka “bois de rose” indray kosa no nitondran’i Tabera Randriamanantsoa ny resany ka nilazany fa dia havoaka tsy ho ela ny lisitry ny mpanondrana harem-pirenena any ivelany satria takian’ny iraisam-pirenena. Tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina izao, hoy izy, no nampirongatra ny fandrobana ny harem-pirenena, ny famarotana tany amin’ny vahiny nefa ny vahoaka miha mahantra.

Mikasika ny famahana ny krizy dia «vitan-dRavalomanana ny nataony ka tsy dia mila miteny intsony izy», hoy ity mpitari-tolona ity. Na izany aza dia “mitohy ny asany”, hoy ny Depioten’i Faratsiho teo aloha Randrianjatovo Henri. Ingahy Sazalahy Tsianihy kosa tetsy ankilany nanamafy fa miandry fatratra ny fahatongavan-dRavalomanana koa ny any Atsimo, ary dia sainam-pirenena mihitsy no handravahana ny fitsenana ny filoha Ravalomanana sy Radidy, hoy izy.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT