Politique

Magro Avaratsena Mitohy ny tolona


  • Talata 26 Oktobra 2010

Tsy mitsahatra intsony fa dia mitohy hatrany ny tolona ho an’Antsirabe ka ao amin’ny Magro Avaratsena hatrany no hifamotoanan’ireo mpitaky ny ara-dalàna.

Ny sabotsy 23 oktobra teo ary dia nisy indray ny fihaonana izay notarihin-dRakotomiandrisoa Jean Ernest, solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe I, farany teo, sy ireo mpitarika hafa avy amin’ny SOLVA sy ny MFM. Nafana ny fanentanana, toy ny tsy fanekena tsotra izao ity fifidianana amboletra ataon’ny FAT ity. Ankoatra izay dia nametraka lamina vaovao ireto mpitarika ireto fa dia ny alarobia sy ny sabotsy ihany no hifamotoana eo amin’ny Kianja izy ireo fa hikatona ny kianja ankoatra izay fa ny fidinana eny anivon’ny Fokontany no tena imasoana mafy indray.

Anisan’ny anton’izay moa ny filatsahan’ny orana ka tokony hijerena ihany ny lafiny famokarana ho an’ireo tantsaha fa eo ihany koa ny fitsinjovana ilay sekoly vao nisokatra eo ampitan’ny kianja mba tsy ho voaelingelina be loatra. Fa nanaitra ireo mpitolona ny fisiana fitoriana ny ampahany tamin’ireo zatovo mpandrindra ny fandriampahalemana ao amin’ny kianja tany amin’ny zandary izay nolazaina fa nikasa hitarika olona handroba sy mpanely trakta ary miotrika korontana. Efa-dahy izy ireo no nampiantsoan’ny zandary ny alakamisy teo nanaovana fanadihadiana ary fantatra tamin’izany ihany moa ny mpitory ary voaporofo koa fa endrikendrika ilay izy ary dia navotsotra ry zalahy taorian’ny fanadihadiana. 

Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT