May volon-tratra tanteraka ! Izay no azo ilazana ny mpanohana an-dRajoelina amin’izao fotoana, hoy Randrianantenaina José, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, raha nandray fitenenana ny tenany nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 19 janoary lasa teo.
Tankina tanteraka ireo mpomba azy rehefa nanambara iny tsy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena iny i Andry Rajoelina ka dia hifanjevo tanteraka hifidy izay olona hasolo azy izy ireo. Hatreto dia miroso any amin’ny fiantrehana ilay fifidianana solombavam-bahoaka ireto mpomba azy ireto sao mba tanteraka ihany ny fanirian’i Andry rajoelina ka efa miditra amin’ny fizaram-paritra samihafa indray ankehitriny ka tafiditra hatramin’ny fampitomboana ny isan’ny Distrika mba hisian’ny seza maromaro. Iharaha-mahalala anefa fa ny vondrona iraisam-pirenena sy ny CENI-T no namaritra ny datim-pifidianana sy ny fifidianana hatao ka dia ho hita eo raha toa ka tena mahaleotena tanteraka ny CENI-T. Tsy hanaiky mora foana izany anefa ny vondrona iraisam-pirenena ka mbola ho diso fanantenana fanindroany eo indray ny mpomba an-dRajoelina.
Mbola nanamafy ny maha olo-meloka ny fitondran-dRajoelina moa ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest ka nilaza fa nandritra ny efa-taona dia tsy nitsahatra nanambara sy niantsoantso teny an-kianja ny ankolafy Ravalomanana misy azy, fa mpanongam-panjakana i Andry Rajoelina ka mendrika ho saziana, saingy tsy nisy nihaino izy tamin’izany ka izao vao tankina rehefa nilazan’ny SADC fa mila famontsoran-keloka ihany koa Rajoelina sy ireo miaramila nifandray tamin’izao fitondrana izao, ka mikorapaka mafy.
Mahakasika ny tsy filatsahan-dRajoelina dia efa mazava iny, hoy ny ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest, satria efa fantany fa na tsy milatsaka aza ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy ho lany izany i Andry Rajoelina raha tena madio ny fifidianana satria tsy ampy hitiavan’ny olona azy ireo zava-bita isehosehoany satria sady tsy misy fiantraikan’ny amin’ny daholobe no tsy hampandroso ny harikarena eto Madagasikara. Firy amin’ny Malagasy no hahavidy trano mora ? Firy amin’ny Malagasy no hahazaka ny hopitaly manara-penitra? Ary mitondra inona ho an’ny maro an’isa ny toeram-pilanonana eny Antsonjombe sy ny kianjan’ny Makis ?Ary raha hanaraka ny toromariky ny Frantsay aza i Andry Rajoelina fa miandry amin’ny 2018 vao tokony hilatsaka dia efa misy indray ny tanora vonona hifaninana aminy amin’izay fotoana izay ka “tsy ho lany ho filoham-pirenena eo izany iny” satria tsy ho voakosoka eo amin’ny Malagasy ny tantarany dia ny hoe: “mpanongam-panjaka iny”.
Netanin’izy ireo hatrany moa ny mpitolona mba tsy hiroaroa saina mahakasika ireo tombana maro an-gazety amin’izay hisolo ny toeran’ny filoha Marc Ravalomanana fa rehefa tapaka ny momba izany dia hivoaka amin’ny fomba ofisialy ihany ary miandry ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana izany vao mety ho fantatra satria tsy maintsy mody izy voa hisy ny fifidianana eto Madagasikara araka ny tondrozotra ihany, hoy ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.