Tsy niandry ela fa tonga dia valin-kafatra ny kabary sy ny nitranga teny Iavoloha no vetin-dresaky ireo mpitarika tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe omaly alarobia 09 Janoary tolakandro.
Nambaran’Atoa Rabemizana Solo tamin’izany fa mahatsapa ny tsy fankatoavan’ny firenena rehetra i Andry Rajoelina ka izay ny tsy nanomezany fitenenana ireo masoivoho vahiny nandritra ilay fifampiarahabana teny Iavoloha. Midika izany, hoy izy fa na izy (Rajoelina) tenany aza dia miala amin’ny Vondrona iraisam-pirenena kanefa tsy afaka makaiza intsony akory.
Raha ny fenitra hoy ihany izy dia ny zokiolona amin’ireo masoivoho vahiny no misolotena azy ireo ka angamba efa matahotra ny fantsy hiantefa aminy Rajoelina dia naleo tsy nampiteny fa notampenana an-kolaka ny vavan’izy ireo. Na izany aza dia nanamarika ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa efa ny rehetra no mahatsapa ny tsy fahantanterahan’ny tondrozotra amin’izao fotoana matoa ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ary ny Praiminisitra mihitsy no mitaky ny fampiharana izany ara-bakiteny.
Raha ny fahitany izay fihetsika izay dia midika fa hiala ary mamaky ady amin-dRajoelina avokoa ny rehetra fa izy sy ny manodidina azy ihany no mbola miziriziry, ka izay iray ho tratra farany eo ihany. Na izany na tsy izany dia mbola matoky tanteraka ny vondrona iraisam-pirenena sy ny Troïka-SADC ireto mpitolona ireto ka nilaza fa hisy ny vaovao aorian’ny fivoriana ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao, fa dia miandry am-pitoniana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana hatrany izy ireo. Anisan’ny nankasitrahan’ireto mpitarika ireto moa ny fahenoana ny tenin’ny Praiminisitra amin’ny tokony hanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT satria ho an’ny eto Vakinankaratra dia nisy ny voakasika tamin’izany dia ny MBS FM 95.4 sy ny Radio Mahafaly FM 106.6 izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.