Politique

Magro Antsirabe Mitohy ny tolona, miandry an’i Dada


  • Alatsinainy 17 Desambra 2012

Mitohy hatrany ary tsy miato mihitsy ny tolona ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe.

 Raha ny sabotsy 15 desambra 2012 lasa teo dia hita fa tsy nampihemotra ireo mpanohana an’i Dada ny fanapahan-kevitra noraisiny tsy handray anjara amin’ny fifidianana ny taona 2013 ho avy io. Nilaza ireo mpitolona fa matoky tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo. Raha ho an’ireo mpitolona dia ny fanafainganana ny fampodiana ny filoha Ravalomanana no mahamaika amin’izao fotoana taorian’iny fanapahan-kevitra goavana noraisiny ho an’ny vahoaka Malagasy iny. Tetsy an-daniny dia sesilany ny fanehoan-kevitra nateraky iny fanambarana iny. Hoy izy ireo :

CT Randriananteanina José (sary): Matoky tanteraka ny filoha Ravalomanana izahay sy ny vahoaka ary tsy mitsipaka ny fanapahan-keviny mihitsy fa izy dia miara-miasa hatrany amin’ny vondrona iraisam-pirenena ka matoa izy nandray iny fanapahan-kevitra iny dia izay no hitany fa mahasoa ny Malagasy sy hifaranan’ny krizy haingana. Voalaza mantsy fa izy hatrany no sakana ka noporofoiny fa afaka mandefitra izy ho tombontsoan’ny firenena. Ny mahamaika ny Malagasy izao dia ny fodiany an-tanindrazana hiara-kiasa indray hanohy ny fampandrosoana efa nataony teo aloha. Mahakasika izay ho kandidàn’ny antoko TIM dia tsy misy afaka misora-tena ho izy raha tsy mandalo ny fanapahan-kevitry ny maro amin’ny alalan’ny Kongresin’ny antoko ihany.

CT Didier Radert (sary) : Raha tena tia tanindrazana i Andry Rajoelina dia tokony hahay hanaja tena ka hanao tahaka ny filoha Marc Ravalomanana ka hilaza mazava fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana ihany koa. Tsy mitombina ny filazany fa tsy mahafeno ny fepetra ny filoha Ravalomanana raha ny lalam-pifidianana no jerena satria fifanarahana politika miaraka amin’ny vondrona iraisam-pirenena dia ampy hilatsahany. I Andry Rajoelina mihitsy no tsy afaka milatsaka hofidiana noho izy nanongam-panjakana. Araka ny Sata afrikanina momba ny demokrasia sy ny fifanarahan’i Cotonou, izay nosoniavin’ny Malagasy dia tsy afaka milatsaka hofidiana ny mpanongam-panjakana. Akoatra izay dia ny fanapotehany sy fandrobana ny harem-pirenena ve no lazaina fa fitiavan-tanindrazana ? Anjaran’ny rehetra no mijery sy mandinika izay nataon’i Andry Rajoelina !

CT Rakotoamiandrisoa Ernest (sary) : Matoky ny filoha Ravalomanana sy ny SADC izahay. Ny filoha Ravalomanana dia mahatsapa hatrany sy mitsinjo ny mahasoa ny Malagasy ka matoa ireny ny fanampaha-keviny dia misy antony ao, ary tsy hampidi-kizo ny Malagasy ny tenany. Tadidio fa tsy afaka miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika ka izay tolokeviny na fifanarahana atolony dia tsara ny mandinika izany ka raha mahasoa dia arahina. Tadidio fa izay mitsipaka izany dia ho hitan’ny havany eo ihany toy ny tsy ahazoan-dRajoelina fankatoavana hatramin’izao, izay mivadibadika lava amin’ireo fifanarahana rehetra natao teto Madagasikara. Tsara ho fantatry ny Malagasy fa tsy ny filoha Ravalomanana mihitsy amin’izao fotoana no mampitarazoka ny krizy fa izay namboly izany teto Madagasikara ihany, kanefa izy ireo hatramin’izao tsy misy mankato hatrany.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT