Politique

Magro Antsirabe Hihetsika ihany koa


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Tsy ho diso anjara amin’ilay hetsika goavana hataon’ny mpandala ny ara-dalàna ary mitaky tsy misy fepetra ny fodian-dRavalomanana ny Legalista Antsirabe ka fantatra fa hanao hetsika goavana ihany koa toy ny eto an-drenivohitra sy ireo renivohim-paritra hafa eto Madagasikara.

 Hivaka ity hetsika ity, hoy i Dadamanana isan’ireo mpitarika satria eo no hitaterana amin’ny vokatry ny dinika natao tany Luanda ka hanentanana ny mpitolona ho tonga maro. Ankoatra izay dia hisy koa ny tatitra maro samihafa entin’ireo sokanjin’olona efa nivondrona amin’ny fanomanana ny fahatongavana sy ny fitsenana an’i Dada araka ny nolazainy ihany.  Hafana araka izany ny hetsika io sabotsy io raha ny ao Antsirabe izay tena tsapa fa miha mahazo aina tanteraka ny tolona. Marihina fa dia miha maro ankehitriny ireo vondron’olona sy fikambanana efa manomanana fatratra ity fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana ity saingy raha ny vaovao azo dia ny ao amin’ny Magro Avaratsena ihany no mandrindra ireo hetsika atao fa ny hafa ivelan’izay dia mety fitaka sy resaka hafa satria misy sahady ny re fa mitarika olona ivelan’ny kianja izay milaza fa manomana ihany koa ny fitsenana an’i Dada ka mila mailo ny mpitolona fa efa misy sahady ny miketrika amin’izao faramparan’ny tolona izao, hoy i Dadamanana.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT