«Tsy mijanona ary hitohy hatrany ny tolona ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe mandra-pahatongan-dRavalomanana”.
Fantatra io nandritra ny hetsika natao tao omaly alarobia 03 aogositra. Mivoatra ary mitombo hatrany moa ny olona tonga manatrika ity hetsika ity amin’izao fotoana ary tsikaritra ho miha velom-bolo hatrany. Raha ny ao Antsirabe dia toa resaky ny moana sy marenina ny fifidianana lazain’ny FAT hatao fa hatramin’ny sarangan’olona ambany hatrany ambony dia tsy misy taitra amin’izany. Asan’ny FAT sy ny forongony irery izany raha i Vakinankaratra no tarafina. Raha ny hetsika ao amin’ny Magro dia efa miroso amin’ny dingana fitetezana Fokontany ny mpitarika ary manetsika ireo any ifotony hiomana amin’ny fitsenana an-dRavalomanana aloha ny mahamaika ny olona ary aorian’izay vao fifidianana. Mahakasika izay dia handray vahiny avy amin’ny Rodoben’ny Malagasy indray Antsirabe ny sabotsy ho avy izao ary efa miomana ny amin’izay ny mpitarika izay nilaza fa hisy vaovao lehibe hambara amin’io fotoana io. Araka izany dia ny tetezamita iraisana hatrany vao fifidianana no masaka amin’ny olona hatreto fa ny ankoatra izay dia an’ny FAT.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.