Politique

Mafampana ny toe-draharaham-pirenena Hisesisesy ny fitakiana politika sy sosialy


  • Talata 16 Aogositra 2016

Ho maro ny fitakiana hitambesatra amin’ny mpitondra ato ho ato noho ny tsy fahaiza-mitantana, fampanantenana poakaty, ny fanapahan-kevitra amboletra. Ny sehatra rehetra na ara-panjakana na tsy miankina dia samy manambana hanao fitakiana avokoa.

 

 Ny mpanao politika avy amin’ny vondrona Antso ho an’ny Fanavotam-pirenena  na AFP milaza ny hitarika vahoaka hidina an-dalambe ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao. Milaza hiverina hampiato ny asany ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana noho ny fahataperan’ny fe-potoana roa volana nomena ny fanjakana hamaliana ny fitakiany saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Nanambara ny hanao fitokonana ny mpampianatra FRAM noho ny tsy naharaisana tambin-karama am-bolana maro. Ny mpanao gazety ihany koa dia mety hiverina hanao fitakiana raha toa ka eken’ny filoham-pirenena sy ny governemanta ilay lalàna neken’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ka hivoaka ny didy fampiharana. Ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa efa ela no nanao antso avo amin’ny hijeren’ny fanjakana akaiky ny vidim-piainana. Hisesisesy ny fitakiana isan-karazany ary ahiana ny hitambaran’izany ho lasa hetsika iray hifantoka amin’ny fanonganana izao fanjakana izao. Ny tena mahagaga amin’ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra dia toa mbola mitory fihantsiana avokoa raha tsy hilaza afa tsy ny resaka lalànan’ny serasera. Mbola matoky tena ho manana hery fiarovana amin’ny fianteherana amin’ny tafika ny fanjakana ka minia midingin-drambo sy mampiseho hery na dia efa tokony hilefitra sy hiaiky ny fahadisoana ka hijery ny sosialim-bahoaka sy hamaha ireo olana mifandraika amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana aza.

 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT