Miseho tsikelikely ny ady an-tranon’ny mpitondra noho ny fanjakazakana ataon’ny olona sasany akaiky ny filoha, izay ny namany ihany no ataony mahita faisana.
Malaza ratsy indray ankehitriny i Herisoa Razafindrakoto, tale kabinetra mpisolotena vonjimaika ao amin’ny fiadidiana ny repoblika nanomboka ny volana septambra 2015 izay tsy nisy fanendrena ofisialy fa izy no nampiandraiketina izany mandrak’ankehitriny nasolo ny Maitre Henri Rabary Njaka. Tsy misy dikany sy tsy misy hasiny ireo mpikamban’ny governemanta eo anatrehany. Vitan’ity vehivavy ity, raha araka ny loharanom-baovao iray akaikin’ny fitondram-panjakana ny mibetroka sy manao tsinontsinona ireo minisitra rehetra. Vao tsy ela akory fa nandritra ny filankevitry ny minisitra tany Antsiranana no voabetroka sy voatabataba teo imasom-bahoaka, teny amin’ny seranam-piaramanidina i Narson Rafidimanana, minisi-panjakana miadidy ny tetikasan’ny filoham-pirenena, lohany ao anatin’ny governemanta, mitana ny laharana faharoa aorian’ny praiminisitra. Zary anarana fotsiny ny maha minisitra sy ny maha olom-panjakana ambony fa ity ramatoa ity no mibaiko sy toy ny lehiben’ireo mpikamban’ny governemanta ka toa mandohalika eo anatrehany avokoa ny rehetra. Izy sy ny sekretera jeneralin’ny primatiora ihany koa no voalaza fa mpandidy sy mpanapaka amin’ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony any amin’ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ka izay tiany no hapetraka ary teny midina fotsiny dia vita ny raharaha. Ny mahagaga dia toa tsy mahita atao ny filoha manoloana izany noho ny antony tsy fantatra . Ny olona manodidina azy aza tsy voafehin’ny filoha ka amin’ny fomba ahoana no hifehezany an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ? Tsy mahagaga raha mikorosy fahana ny firenena e .
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.