Naneho ny fomba fijeriny manoloana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany Atoa Radanoara Julien, mpahay fifandraisana iraisam-pirenena omaly.
Nambarany fa nanampy betsaka tamin’ny fisokafana amin’ny any ivelany ny fanjakana ankehitriny saingy tsy mbola hitondra zavatra betsaka na hampandroso ny firenena ato ho ato izany. Eo amin’ny lafiny fitadiavana mpiara-miombon’antoka dia tsy tokony hionona fotsiny amin’ny frantsay isika na dia maro aza ny lafin-javatra mamatotra antsika aminy toy ny ara-tantara sy ara-politika. Zava-dehibe ny fisokafana amin’ny firenena matanjaka ankoatra ny frantsay. Anisan’ny efa malaza amin’ny resaka fandraharahana sy famatsiam-bola ny Aostralianina izay lohalaharana any Maorisy ankehitriny. Efa lasa manankarena 25 avo heny noho i Madagasikara ity nosy kely ity amin’izao fotoana izao noho ny fisokafana amin’ireo mpandraharaha sy firenena manerana izao tontolo izao. Raha tiana ny handroso sy hiala amin’izao olana izao dia ilaina ny mamboly fifandraisana matotra amin’ny firenen-dehibe hafa fa tsy mionona fotsiny amina firenena roa na telo. Zava-dehibe ny faharesen-dahatry ny fanjakana sy ny vahoaka mba hisian’ny finiavana izay antoka hahatontosana izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.