Politique

Madagasikara Mbola arahan’ny SADC maso akaiky


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Nalefan’ny Sadc aty Madagasikara mba hijery ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena eto amin’ny firenena Atoa Joachim Chissano.

  Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha izy omaly ka niara-dia taminy tany an-dapa ihany koa ny masoivohon’i Afrika atsimo sy Maorisy miasa eto amintsika. Hanao tatitra any amin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny amin’ny zava-misy marina eto avy eo ity iraka manokana ity, taorian’ny fametrahana ireo rafi-pitantanana sy ny fiverenan’ny fifandraisana amin’ny any ivelany tsikelikely. Fihaonana voalohany teo amin’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny maha filoha azy sy Joachim Chissano ity omaly ity ka nahafahan’ny roa tonta niresaka teboka maromaro ny amin’ny drafi-panarenana an’i Madagasikara taorian’ny krizy nolalovany. Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo hihaonan’i Joachim Chissano hatramin’ny zoma hijanonany eto ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena, ireo filoham-pirenena teo aloha ary mpitondra fivavahana vitsivitsy.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT