Politique

Madagasikara-Alemaina Hamafisiana ny fiaraha-miasa


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Miezaka manafy orina sy mampitombo ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana Alemana ny fanjakana Malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Fanamby hapetraka amin’izany ny hampiroboroboana ny toekarena, mba hampiakarana ny fari-piainanan’ny vahoaka.

Nitsidika ny foiben’ny Banky Alema momba ny fampandrosoana (KFW) ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ka ny nisy ny fiaraha-misakafo natao tao an-toerana. Nifampiresaka tamin’ny filoha lefitr’io banky goavana io, dia i Norbert Kloppenburg ny filoha Malagasy taorian’izay, ka nitsirian’ny hevitry ny filoham-pirenena amin’ny hikendrena ny fananganana Banky Malagasy momba ny fampandrosoana mba hanamorana ny famatsiana ireo tetikasam-pampandrosoana toy ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny famoronan’asa, ny fambolena… Tsiahivina fa efa nihaona tamin’ny komity ho an’ny fiaraha-miasa ara-toe-karenan’ny parlemanta Alemana ny filoham-pirenena sy ny delegasionina niaraka taminy izay ahitana ny loholona roa dia i Pierrot Rajaonarivelo sy Brigitte Rasamoelina, miampy ny depiote Harijaona Randriarimalala sy Milavonjy Philobert sy ny hafa ihany koa. Niompana tamin’ny fambolena, ny angovo azo havaozina, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary misy eto amintsika ny resany. Nanao fitsidihana ny orinasa Siemens ihany koa ny delegasiona Malagasy, ka fantatra tamin’izany fa manana fitaovana  afaka mamokatyra herinaratra izay afaka mamokatra hatramin’ny 100 MW, izay azo ampiharina aty amintsika. Noresahina ny tontolon’ny fanabeazana, ka notsiahivina ny fiaraha-miasa toy ny famatsiana ny EPP Kianjamalaza Andriantomporay any Ambatomirahavavy  tamin’ny alalan’ny fanomezana « panneaux solaires » 10 hamatsiana herinaratra miampy ny fitaovana isan-karazany miaraka aminy ny taona 2015, ka tokantrano 150 hafa no afaka nisitraka izany. Nandritra ny diany dia nihaona tamin’ireo mpila ravinahitra sy tompon’andraikita Malagasy tany an-toerana ny filoha Malagasy mivady sy ny delegasionina notarihiny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT