Politique

Madagasikara 5 taona tsy misy mpanohitra ara-dalàna


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Matoam-baovao iray misongadina eto Madagasikara hatramin’izao ny sata mifehy ny mpanohitra.

Marobe tokoa ireo antoko sy vondrona politika mitsikera ny fitondrana Rajaonarimampianina fa tsy hita soritra mazava kosa ny fahasahian’izy ireo mandray ireo toerana 2 eny anivon’ny fahefana mpanao lalàna hatreto. Efa hananika ny fahatelo taonany sahady, ohatra, ny fijoroan’ny Antenimieram-pirenena saingy mbola banga hatramin’izao ny seza faha-7 natokana ho an’ny mpanohitra eny Tsimbazaza. Torak’izany koa ny toeran’ity farany etsy amin’ny Antenimierandoholona Anosikely herintaona latsaka aty aoriana. Takiana amin’ny mpanohitra rahateo ny fampahafantarana io fironan-kevitra fanoherana io eny amin’ny minisiteran’ny Atitany ankoatra ny fanambarana ampahibemaso, araka ny voalazan’ny lalàna laharana 2011-013 nankatoavina ny 9 septambra 2011. Miteraka ady hevitra tsy misy farany manokana moa ity fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fitondrana tetezamita lavareny ity. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahitan’ireo vondron’ny mpanao politika mpanohitra Malagasy marimaritra iraisana. Madagasikara izay firenena tsy ahitana mpanohitra ara-dalàna hatramin’ny nitsanganan’ny Repoblika faha-4.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT