Politique

“Mada raid” Avy aiza ny vola ampiasain’ireo mpanao politika ?


  • Zoma 29 Oktobra 2010

Misimisy ihany ireo mpanao politika na mpitarika antoko, mitety faritra tato anatin’ny volana maro. Araka ny filazan’izy ireo, izay efa mahazatra ny sofina moa, dia hoe mijery ny zava-misy sy mihaino ny hetahetan’ny olona izy ireo.

Zovy anefa no tsy mahatakatra fa propagandy mialoha ny fotoana no atao, na dia tsy mbola mazava tsara aza hoe rahoviana marina ny daty hanaovana ireo fifidianana. Fa ny tena mampanontany tena ny olona dia ny ny vola ampiasain’ireto mpanao politika manao “mada raid” isan’andro ireto. Volan’ny tenany manokana ve, vola azony avy any ivelany ve, vola nindramina ve sa lova avy amin’ny ray aman-dreny sa ihany koa fanomezan’ny malala-tanana, sa volam-panjakana ? Anisan’ireo mazoto amin’ny fitetezam-paritra ohatra Atoa isany Monja Roindefo, Pierrot Rajaonarivelo, Roland Ratsiraka, ary vao haingana teo i Tantely Andrianarivo. I Andry Rajoelina moa dia efa mahazatra ny fandehanany any amin’ny faritra isaky ny faran’ny herinandro, ary efa iaraha-mahalala fa volam-panjakana no ampiasainy.

Ny filoham-panjakana rahateo dia manana ilay “fonds spécial”, vola amina miliara, azony ampiasaina amin’izay hitany fa tokony ampiasana azy ary tsy mila fahazoan-dalana avy any amin’ny parlemanta. Fa ny an’iretsy mpanao politika hafa no tsy mazava amin’ny olona. I Tantely Andrianarivo aloha dia efa fantatra ihany fa nanana an-tapitrisany dolara tany amin’ny banky Soisa, io ilay nifanolanany tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Efa nisy ihany koa ny resabe momba ny vola an-tapitrisa dolara nambara fa volan’i Pierrot Rajaonarivelo, saingy na izany aza tsy mazava ny resaka.

I Monja Roindefo sy Roland Ratsiraka moa dia tena maizina tanteraka ho an’ny olon-tsotra ny tena fidiram-bolany na dia milaza aza izy ireo fa mpandraharaha ara-toekarena. Fa ny mazava aloha dia mety ho anisan’ireo ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpanao politika mazoto amin’ity fitetezam-paritra ity ary tena tsy mitsitsy vola aman-karena amin’ny fampahafantarana ny tenany sy ny fandaharan’asany. Tsy mbola nisy fiovana ny eto amin’ny firenena raha ity resaka vola ampiasain’ny mpanao politika ity no jerena, ary izay no hanizingizinana fa ilaina mipetraka mazava mialoha ny fifidianana rehetra hotanterahana eto ny lalàna mifehy ny antoko politika sy ny momba ny famatsiam-bolan’izy ireo mba ialana amin’ny fividianana ny safidim-bahoaka lava izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT