Politique

Lylison sy Andriamandavy VII Horoahina tsy ho loholona ?


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Ny 2 mey izao no hiroso amin’ny fivoriana ara-potoana ny mpikambana eo anivon’ny antenimierandoholona. Mandritra io fotoana io no handinihina ny raharaha Lylison, izay efa 8 volana mahery no miery noho ny fanenjehan’ny fanjakana HVM azy.


 
Efa naka ny hevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny tsy fahatongavany nivory ny birao mpitantana. Nilaza ho tsy mahefa ny HCC ka nanome fahefana feno ny antenimierandoholona hampihatra ny fitsipika anaty, tafiditra ao anatin’ny fitsipika ny fanesorana ny mpikambana tsy tonga manatrika fivoriana ao anatin’ny fotoana maharitra. Mety tsy ho sarotra amin’ny HVM ny hanatanteraka izany noho izy ireo maro an’isa. Mbola mitana ny sain’ny maro ihany koa ny mikasika ny filoha lefitry ny antenimierandoholona Riana Andriamandavy VII, nitarika fikomiana sy fanakorontanana teny amin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao nandritra ny fotoana nitazonana an’i Claudine Razaimamonjy teny an-toerana. Manana zo tsy azo enjehina ny loholona. Tratra ambodiomby anefa izy ka azo sokajiana ho anisan’ny heloka tsy voaaron’ny zo tsy azo enjehina. Efa nisy ny resaka nivoaka avy tao amin’ny antenimierandoholona ny herinandro teo fa maro ny tsy mankasitraka ny fihetsika mamoafady nataony. Nanala baraka ny andrim-panjakana ny toetran-jiolahimboto nataony, ka mety hiafara amin’ny fandroahana. Na hodiovin’ny HVM aza izy, mety tsy ho afa-bela amin’ny fitsarana. Tsy azo tazanim-potsiny ireny fandikan-dalàna nitarika andian’olona hananika sy hitora-bato tranom-panjakana ireny. Efa niverina mangingina eto Madagasikara ity loholona ity taorian’ny niarahany tamin’i Claudine Razaimamonjy nankany amin’ny nosy Maorisy nitsoaka ny famonjana vonjimaika.


 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT