Politique

Lt-Kolonely Lylison : Hanao fahirano ambasady ?


  • Zoma 26 Martsa 2010

Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanambarana nataon’ny lietnà kolonely Lylison René de Roland, talen’ny hery vonjitaitra manokana (FIS), eo anivon’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, mikasika ny fepetra tokony horaisina raha manoloana ny sazy nataon’ny Vondrona Afrikanina, tamin’ny alalan’ny filankevi-pilaminana sy ny fandriampahalemana, ireo tompon’andraikitra amin’izao tetezamita izao.

Tsy fantatra moa raha nahazo alalana tamin’ny lehibeny ity manamboninahitra ity nahafahany niteny, fa nolazainy ho «miray tsikombakomba amin’ny olona nangalatra, namono olona ary nambotry firenena ny GIC». Nambarany fa «nivadika ny GIC», ka «olona nanavotra ny olona (Malagasy) sy manao ny mety eto amin’ny firenena indray no voasazy». Nilaza ity manamboninahitra ity fa raha mitohy amin’ny sazy ara-toekarena izany, dia tokony hihenjana ny tetezamita. Nambarany tamin’izany ny tokony hanidiana ireo toeram-pitrandrahana harena ankibon’ny tany, kobalta sy nikela ataon’ny Sheritt sy ny fasimainty ataon’ny QMM, raha mampiato ny famatsiana ara-bola ny avy any ivelany. Misokatra indray ny fitrandrahana rehefa miverina ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy nihambahamba koa ny lietnà kolonely Lylison René de Roland nilaza fa hidina tsy hahazo hivoaka ny ambasady ny diplaomatin’ireo firenena mampihatra ny sazy amin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Ny faritry ny ambasady ihany no taniny, ka tsy tokony hivoaka izany izy ireo. Ny lojikan’izay dia fanovana fahirano ireo ambasady vahiny, koa asa izay handraisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fihetsika toy izany, fihetsika izay miendrika fihantsiana tsotra izao.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT