Lova Andriaparany

«Ity fitondràna ity no nanome vahana indrindra ny frantsay»


  • Zoma 25 Aprily 2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

amin’ny alalan’ny EDF na «Electricité de France», hoy ny mpandalina tantara sy raharaham-pirenena, Lova Andriaparany na Doda. Nanome vola 25 tapitrisa Euro hikarakarana ny fanabeazana koa izy ireo, hoy izy. Isan’ny nosoniavina koa ny resaka zotra an-dalamby. Noresahina koa ny fitrandrandrahana ny atao hoe «terre rare» na tany tsy fahita firy, raha adika ara-bakiteny, misy miteny koa hoe fasimainty. Hita ho niha nafana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa taorian’ny fitsidihana ara-panjakàna nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, izay nitohy tamin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena anaty COI. Niha nahazo vahana teto kokoa ny frantsay nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty, mitaha amin’ny fitondràna tany aloha rehetra, raha ny tantara no jerena. Raha singanina manokana ny 1958 hatramin’ny 1972, izay nanomezana ilay fahaleovantena sarintsariny, dia nanjaka tanteraka teo ny frantsay. Ny taona 1975 hatramin’ny 2008 kosa dia hita ho tsy dia nahazo vahana firy ny frantsay satria ny fitondràna Ratsiraka izao, tao anatin’ny repoblika faharoa, dia somary nanao anjorombala ny frantsay raha nitodika kokoa tany amin’ny firaisana sovietika, izany hoe ny firehana tantsinanana fa tsy tandrefana. Ny repoblika fahatelo tapany faharoa, nanao ilay atao hoe repoblika malalaka, izay namelatra kokoa ny fiaraha-miasa tamin’ny firenen-kafa ankoatran’i Frantsa. Ny repoblika faha 4 dia nanome vahana indray ny frantsay. Izany hoe ity fitondràna ity no nanome vahana indrindra ny frantsay. Manomboka very lalana aty Afrika nefa i Frantsa, indrindra, Afrika frankofonina. Ny ankamaroan’ireo zanatany frantsay ao Afrika andrefana no efa niala amin’i Frantsa. Malaza amin’izany moa i Mali, Niger, Burkina Faso. Nanala ny andian-tafika frantsay koa i Senegal, Tchad, Cameroun. Very toerana aty Afrika i Frantsa io dia aty amin’ny ranomasimbe indianina indray izy no maka toerana. Azo lazaina ho manana tombony bebe kokoa ny aty satria La Reunion sy Maioty izao frantsay. Azo lazaina hoe voahodidin’ny frantsay izany i Madagasikara na amin’ny lafiny ara-jeografika na jeopolitika. Tsy maintsy hitady ny tombontsoany aloha ny frantsay. Hatreto dia mbola tsy hita firy izay tombontsoa azon’i Madagasikara tamin’i Frantsa fa na ny maherin’ny 70%n’ny orinasa eto aza frantsay no mitantana azy. Mandoa hetra ho an’i Lafrantsa ireo na eto aza. Tsy mila resahina akory ny lafiny ara-toekarena hafa. Miankina amin’ny fahaiza-mandresy lahatry ny mpitondra malagasy ihany izany no ahazoantsika tombony amin’izao na tsia, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT