Loholona sy mpandraharaha iray efa malaza ho tsy azo kitikitihina noho izy ireo milaza fa akaikin'ny filoham-pirenena indray no voalaza fa manao fananararaotam-pahefana any amin’ny faritra Fianarantsoa any amin’izao fotoana izao, ka mihorohoro tanteraka ny mponina.
Maro no efa velon-taraina. Mitety ireny kariera fitrandrahana harena ankibon’ny tany ireny izy ireo raha ny vaovao azo, ary mitondra mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana. Terena tsotra izao hanome ireo harena azony ny olona, ka ampiasaina hamoretana azy ireo ny mpitandro ny filaminana. Ny tena loza dia ny anaran’ny filoham-pirenena mihitsy no voalaza fa entin’izy ireo amin’izany, ka ambara fa ilain’ny filoha sy ny fitondram-panjakana ny entana. Tsy hay intsony na kopaka hisasahana amin’ny samy mpitondra ilay izy na enti-manoso-potaka ny anaran’ny filoha Rajaonarimampianina fotsiny. Efa maromaro ihany ny tranga tahaka izao, izay inoana fa efa tonga any am-poto-tsofin'ny filoham-pirenena. Ny mahagaga dia mbola miedinedina etsy sy eroa ary tafiditra any an-dapa mihitsy ireo olona mpanararao-pahefana ireo. Ny olon'ny HVM aza dia efa misy milaza fa misy mpamosavy malemy ao, izany hoe milaza fa miara-dia amin'i Hery Rajaonarimampianina kanefa toa ny manaratsy endrika sy manapotika azy indray no ataon'izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.