Politique

Lisitry ny voasazy Afa-doza i Roindefo sy Ny Hasina Andriamanjato


  • Zoma 19 Martsa 2010

Omaly no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo olona 109 voalaza fa hiharan’ny sazin’ny vondrona afrikanina.

Ny fihaonana faha-221-n’ny filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikanina no namoaka izany. Loha-lisitra ny avy ao amin’ny fiadidian’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita i Andry Rajoelina mivady, ny talen’ny kabinetrany, ny sekretera jeneraliny, ireo mpanolotsaina, ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta Vital, ireo mpikambana rehetra ao amin’ny FAT, ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitra ara-miaramila ho an’ny fiarovam-pirenena na ny CMDM, eo koa ireo miaramila sy mpitandro ny filaminana nanohana ny fahefana FAT, toy ny Cemgam, ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny komandin’ny Fign, ny komandin’ny Cirgn, ireo tale mpiara-mitantana roa eo anivon’ny Fis. Ankoatra ireo izy sivy mianadahy mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary i Esoavelomandroso sy i Daniel Rajakoba. Ireo voalaza fa vato nisakana tamin’ny fampanjariana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba moa ireto voan’ny sazy ireto, araka ny vaovao.

Tsy tafiditra tao anatin’ilay lisitra i Monja Roindefo, praiminisitry ny FAT teo aloha sy i Ny Hasina Andriamanjato, izay minisitra FAT nisahana ny raharaham-bahiny hatrany am-piandohany. Izy roahalahy ireto dia nandray anjara mavitrika tokoa tamin’ireny ‘tolona’ ho amin’ny fakana fahefana ireny. Raha ny hita aloha izany dia afa-doza amin’ny sazy izy. Nahay niala tamin’ny fotoana tokony ho izy ve sa mbola anisan’ireo tafiditra amin’ny lisitra manaraka ? Araka ny tsilian-tsofina tokoa mantsy, dia mety mbola hisy lisitra tovana hanampy isa ireo olona voasazy ireo.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT