Politique

Lisi-pifidianana Tsy mampiraika ny olona satria ...


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Na tamin’ny haino aman-jery na tamin’ireo gazety mpiseho isan’andro dia samy nahitana sy nandrenesana fa hatreto dia malaina amin’ny fijerena ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny Fokontany ny olona.

 Efa natao anefa ny karazam-panentanana rehetra teny amin’ny Fokontany toy ny petadrindrina sy ny dokambarotra ary ny hira, saingy tsy nampiraika ny olona izany. Ary rehefa nisy moa ny fanadihadiana tsotsotra natao tamin’ireo olom-pirenena tsy dia taitra ireo dia maro samihafa ny valin-teny, tao ny nilaza fa ny fifidianana hatao aza tsy fantatra akory hoe inona, tsy fantatra tahaka izany koa ny daty koa inona moa ny mahamaika hanamarina ny lisi-pifidianana dieny izao. Ao koa reo nitsotra fa fotoana very ny handehanana eny amin’ny biraon’ny Fokontany hanamarina ny anarana ao amin’ny lisi-pifidianana izany satria toa ny teo ihany no miverina, maro be ny diso amin’ilay lisitra ary hita fa asa kitoatoa no natao.

Misy koa ny niteny fa na mihena nampitombo ny isan’ny mpifidy dia tsy hampiova na inona na inona izany fa izay tompon’ny fahefana ihany ny hivoaka ho mpandresy amin’ny fifidianana rehetra ho avy eo. Fa misy ihany koa ny olona mitaraina amin’ny fomba fiasan’ny ao amin’ny Fokontany misy azy ireo ka mahatonga ny fahalainana hanamarina ny anarana ao anatian’ny lisi-pifidianana. Manampy izany rehetra izany moa dia mavesatra amin’ny isan-tokantrano ny krizy sy ny fitadiavana izay hanin-kohanina anio, ny fidiran’ny mianatra mbola resaka hafa tsy maintsy amoahana vola, hany ka tena tafiditra amin’ny vanim-potoana sarotra ilay hoe fanontana ny lisi-pifidianana ka tsy mahataitra ny olona.

Mbola fahatsiarovana ratsy ho an’ny rehetra ihany koa ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010 ka mety ho noho izay angamba no mahatonga izao fahalainana hanamarina ny anarana ao anaty lisitra izao. Misy ihany koa moa ireo manao vazivazy hoe : rehefa tsy tafiditra ao ny anaranay dia hitondra karnem-pokontany fotsiny izahay dia afaka mifidy ! Ankoatr’izay efa nambara rehetra izay moa dia manampy trotraka ny fizarazarana eo amin’ny firehana politika satria misy mihitsy ireo olona tsy manaiky tsotra izao ny fomba fiasan’ny FAT sy ny zavatra ataony rehetra ka tonga dia tsy mety mandray anjara tsotra izao amin’ny izany hoe fanisam-bahoaka sy fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT