Politique

Lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina “Na higadrako any Guantanamo aza !”


  • Zoma 22 Jolay 2011


 Noho ny fahatongavan’ireo mpanao famotorana avy amin’ny Fitsarana iraisaim-pirenena dia nampita tamin’ireo fianakaviany ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina fa vonona ny hilaza ny marina rehetra mikasika ny fanonganam-panjakana nataony sy ny filohan’ny FAT sy ny fantany mikasika ny raharaha 7 febroary. “Na higadrako any Guantanamo aza dia vonona aho hilaza izany”, hoy ny filazany tamin’ireo havany.

Marihina fa efa eto Madagasikara hatramin’ny alin’ny alatsinainy 18 jolay teo ireo mpanao famotorana avy amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena hanao fanadihadiana manodidina ny “raharaha 7 febroary” taorian’ny fitoriana napetraky ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy vitan’izay fa nitantara ihany koa ny tenany tamin’ireo fianakaviany fa raha nanaraka ny toroheviny ny amin’ny tokony hanaovana fampihavanam-pirenena eo amin’ny Malagasy rehetra ny filohan’ny FAT dia tsy tahaka izao ny zava-misy. Ninia nanampin-tsofina foana mantsy ity farany, araka ny nolazain’ny Kly Charles tamin’ireo fianakaviany ihany.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT