«Raha misy fitsarana dia tazoniko hatramin’ny farany ny voalazako. Miandry izay fitsarana izay no nataoko tany Tsiahafahy. Tahotra ahy no namonoan-dry zareo ahy tany am-ponja”.
Ny kolonely Charles Andrianasoavina no nilaza izany ho ren-tany ren-danitra tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly tolakandro raha niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any La Réunion ny tenany. Samy nanana ny fomba nanamarihany izany 7 febroary izany na ireo eo anivon’ny fitondrana teny Ambohitsorohitra na ny mpanohitra, mpandala ny ara-dalana tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka. Ampamoaka miezinezina, nanamafy ireo efa nambarany hatrizay momba izay nikotrika ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy ireo paikady rehetra tamin’izany no nataon’ity manamboninahitra manan-tantara ity omaly. “Fantatro ianareo AV7 fa te hahalala ny marina.
Mamerina aho ary manamafy fa i Andry Rajoelina no nampamono anareo fa tsy Ravalomanana. Ny komanda Lylyson no nasaina namono anareo”, hoy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina izay niantso ny vahoaka tia tanindrazana rehetra hanamafy ny tolona hanavotana ny firenena. Tapaka avy hatrany moa ilay antso an-tariby vao vantany nilaza izay fanambarana izay izy. Asa raha fifandrifian-javatra na sompatra mba tsy hamantaran’ny Malagasy ny marina.
Nivadika ny glaoby
Nialoha izay anefa dia afaka nametraka fanontaniana nivantana taminy ireo mpanao gazety tonga tao amin’ny Magro nanaraka ity vaovao ity omaly. Mikasika ny tafika dia mazava ny fijeriny “tsy azo ianteherana intsony ny tafika”, hoy ihany izy. Momba ny zavatra niseho ny 17 martsa 2009 dia nambarany ihany fa izy sy i Andry Rajoelina no nireska ary nifanaiky fa tsy azo ekena izany fitondrà miaramila izany. “Tany amin’ny CAPSAT izahay ka Ratsirahonana no namolavola ny lahatsoratra famindrana ny fahefana. I Andry Rajoelina kosa no nanonona tamin’ny alalan’ny telefaonina tamiko izay tokony hosoratan-dRatsirahonana. Stylo ana mpanao gazety no nanoratana izany”, hoy ihany izy nanitrikitrika. Nisy anarana maro notoniny na sivily na manambonihitra ambony tompon’antoka tamin’ireny fanakorontanana nanomboka tamin’ny 2009 ireny. Momba ny mety hoavin’ny kolonely Charles sy ny politika kosa dia nambarany fa mbola mitsabo tena izy amin’izao saingy milaza fa vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Hiverina eto ny tenany rehefa vita izany fitsaboana izany. Fitsaboana izay olon-tsotra no nanampy azy tamin’izany, araka ny fanazavany. Nilaza moa ny tenany fa salama saina tsara ary vonona hitazona izay teniny sy fiampagany rehetra na hiakatra fitsarana aza. Ankoatra izay dia nambaran’ny kolonely Charles Andrianasoavina ihany koa fa efa im-betsaka ny tenany no notambazana vola sy hipetraka amina masoivoho vahiny saingy nolaviny noho ny fahatsapany fa famadihan-tanindrazana izany. Manoloana ny mety hilazana fa nandray vola tamin’i Marc Ravalomanana ny tenany nanaovany izao ampamoaka izao dia niteny izy fa “0 euro” no azony ary tsy mbola tafaresaka tamin’ny filoha teo aloha izy saingy maniry ny hiresaka aminy kosa.
Nivadika tanteraka ny glaoby ankehitriny, efa-taona taty aoriana ary dia nitana ny teniny ity manamboninahitra ity fa dia ataony mahalala ny anarany i Madagasikara ary dia izy tokoa no hamadika ny tantara, raha ny nambarany teny amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009. Hafaliana no nandraisan’ireo vahoaka tonga maro be tetsy amin’ny Magro ny antso sy ny ampamoaka nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina izay niaraha-mahita sy nahalala ary tsy nanda izany tenany fa isan’ireo andrin’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny ka nahazoany io fitondran io. Mariky ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, fifamelana ary fampihavanana izay imasoana izao, hoy ireo mpitarika ny mpandala ny ara-dalana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.