Noraofina an-tsobika ny fanakianana sy ny fampitandremana nataon’ny Les AS ny mpitondra FAT isan-tokony manomboka amin’i Andry Rajoelina sy ny olona manodidina azy.
Nisantarany izany ny tsindrom-paingotra amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra izay tsy mitovy hevitra matetika ka nilazan’ity vondrona ity fa ny miala no mety amin’izy mirahalahy rehefa tsy mahay mifanaraka sy mifandefitra. Nokianiny koa ny fihazakazahan’i Andry Rajoelina manatanteraka tetikasa etsy sy eroa nefa ny fiatrehana ny fifidianana izay laharampahamehana tsy misy tokotaniny. Notanisain’i Voninahitsy ny tsy mbola fahavitan’ny famelan-keloka nefa efa-bolana sisa dia higadona ny fifidianana, ao koa ny tsy fisian’ny tetibola hamitana ny hetsika kara-panondrom-pirenena. Manahy ny fisian’ny fikasana fanasoketana sy fanalam-baraka ny ministeran’ny Atitany (natolotry ny Les AS) ho tsy mahavita ny asany ry zareo amin’izany. “Vao androany (omaly) ny minisitry ny tetibola vao nilaza fa hanome ny ampahefatry ny vola hanatanterahana io hetsika kara-panondro io. Raha mitombina izay lazainy dia volana vitsy monja izany no fe-potoana hanomezana kara-panondro olona 1 tapitrisa. Aoka tsy izahay no homena tsiny raha tsy lavorary izany satria efa tokony ho tany amin’ny jona 2012 no natomboka io”, hoy Rakotoarisoa Florent, minisitry ny atitany. Mampitandrina amin’ny mizana tsindrin’ila atao amin’ny minisitry ny asa vaventy, Boto Manovatsara, koa ity vondrona ity izay nilaza fa mahafeno ny fepetra hahazoana ny grady jeneraly ity kolonely minisitra amin’ny anaran’ny
Les AS ity nefa nodian-tsy hita tamin’ny fanondrotana galona in-droa miantoana izay. Mahitsy moa ny hafatr’i Voninahitsy amin’i Andry Rajoelina fa hotsarain’ny vahoaka izy manoloana ny fampanantenany hanangana hopitaly sy oniversite any Melaky izay tsy misy tokotaniny hatreto. “Mitandrema ianao manoloana ny fihetsik’ireo mpitaty ran-kena ao an-dapa mbamin’ny minisitra mihevi-tena ho ambonin’ny rehetra ireo”, hoy izy.
Notondroiny mivantana tamin’izany ny anaran’i Hery Rajaonarimampianina, minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola sy Hajo Andrianainarivelo, praiminisitra lefitra. Tsy lanin’ny vavoniny mihitsy ny fanenjehan’ity farany an’i Alain Ramaroson ka nanaovany teny fihantsiana hoe : “sambory izy dia hifankahita eto isika !”. Nankasitraka ny fanetren-tena nataon’ny filoha Marc Ravalomanana izay tsy hirotsaka hofidiana koa i Voninahitsy ary nilaza fa tokony havela mody malalaka ity farany na dia alohan’ny fifidianana aza. Fepetra takiany kosa ny fanomezana antoka avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana tsy hanakorontana raha tonga eto sy tsy hidirana etsy Ivato fa avy any amin’ny faritany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.