Leo ny fandrirarirana ny Mpitsara ka tsy hanaiky intsony. Manomana hetsika goavana ny sendika ato ho ato izay tsy hampoizin’ny fitondram-panjakana mihitsy ny fiantraikany.
“Efa masaka ny hetsika hatao saingy aleo rehefa mihatra dia iaraha-mahita eo”, hoy i Auguste Marius Arnaud, filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM). Milaza ho tsy mahafantatra izay hetsika hotontosain’ny mpitsara koa ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine raha nanontaniana. Raha tsiahivina ny tantatra dia nanapa-kevitra ny hanapaka ny fiaraha-miasany amin’ny FAT ny SMM rehefa tsy nasian’ny fitondram-panjakana tohiny ny fangatahany fanomezana ny “rubrique 508” ho an’ireo mpitsara andiany farany. Fitakiana rariny raha ny fanazavana satria tokony hitovy ny fitantanana ny mpiasam-panjakana rehetra. Anisan’ny fepetra mivaingana noraisin’ny SMM izay mbola tazoniny hatramin’izao ny tsy fanendrena ny solontena ao anatin’ny rafitra isam-paritry ny CENI. Ny 05 jona 2010 anefa dia noraisin’ny filohan’ny FAT ihany ny biraon’ny SMM momba io raharaha io. Nampanantena i Andry Rajoelina tamin’io fa halamina aorian’ny fetin’ny 26 jona io olana io ary tambin’izany dia tsy mahazo manao fanambarana fa mangina ny SMM.
Nankatoavin’ireto farany izany saingy dila ihany ny fe-potoana fa tsy mbola nilamina ny momba ireo mpitsara nivoaka farany ireo. Nanoloana izany dia nandefa taratasy fampatsiahivana tany amin’ny fiadidiana ny FAT ny SMM ny 14 jolay saingy tsy nahazoam-baliny izany hatramin’izao. Izay indrindra no nampipoaka ny sarom-bilany satria mahatsiaro tena hatao tsinotsinona ny mpitsara. “Olon-dehibe izao no nifanaiky saingy tsy hita izay vokany. Aoka kosa izay ny fandrirarirana”, hoy i Auguste Marius Arnaud. Notsindriany fa ny fanjakana amin’izao fotoana mihitsy no tsy mahavita azy satria disadisa amin’ny lehiben’ny sampandraharaha roa eo anivon’ny ministeran’ny tetibola no manakana ny tsy fahazoana ny “rubrique 508”. Olana izay heverina ho tsotra nefa tsy voavahan’ny FAT.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.