Politique

Lemalady Eric (HPM) Tokony hody alohan’ny fifidianana ireo sesitany


  • Alakamisy 31 Janoary 2013

Nilatsahan’ny fanahy masina sa tapi-dalan-kaleha fa dia niova fiteny sy firesaka ireo mpanao politika Malagasy izay fatra-panenjika an’i Marc Ravalomanana ary mpanizingizina fa tsy tokony hiverina eto izany ity filoha teo aloha ity fa mitondra korontana ny fahatongavany eto.

 Ankehitriny dia milaza ry Lemalady Eric (HPM) fa tokony hody alohan’ny fifidianana ireo sesitany. Araka ny heviny dia tsy misy antony tokony hisakanana ireo sesitany hody an-tanindrazana indray rehefa mifamela ny mpanao politika. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia karazana pi-maso ataon’ny HPM amin’ny ankolafy Ravalomanana ity fanehoan-kevitra ity.

Manakaiky rahateo ny fifidianana. I Voninahitsy Jean Eugène, izay mbetika milaza fa tsy mila an-dRavalomanana tonga eto sy ny hoe efa nanomana efitrano ho azy ao Tsiafahy, aza moa dia efa nilaza ihany koa fa tsy mahita olana amin’ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara. Marihina fa dia mifandimby mihaona tamin’ny Dr Leonardo Simao ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra hatry ny omaly ary hitohy amin’ireo fiarahamonim-pirenena izany anio. Voaresaka ao anatin’izany ny fodian’i Marc Ravalomanana.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT