Politique

« Légaliste de Madagascar » Manaja ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Mitana ny foto-kevitra nijoroany sy nahafantarana azy hatramin’izay ny fikambanana « Légaliste de Madagascar » tarihin-dRalainirina Marcel

. Nilaza ity mpanao politika, mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita ity fa tsy azo ekena ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana. Tokony hamita ny fotoam-piasany araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana, ny filoham-pirenena, hoy izy ka aleo ny vahoaka no manala azy amin’ny toerany amin’ny alalan’ny fifidianana mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Tokony hoesorina ny toe-tsaina fakana fahefana tsy araka ny lalàmpanorenana. Mikasika izay dia mitaky ny hisian’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana ny Legalista mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena satria miteraka tsy fitovian-kevitra ary olana eo amin’ny firenena. Manoloana ny resaka mandeha amin’ny hisian’ny fanovana governemanta dia nilaza Ralainirina Marcel, fa « tsy ny fanovana governemanta na adin-tsezan’ny mpanao politika no laharam-pahamehana na ny mahamaika fa ny fanarenana ny firenena sy ny fampandrosoana, satria tena sahirana ny Malagasy manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana izay miteraka tsy fandriampahalemana ka mampandry tsy lavoloha ny Malagasy indrindra ny tantsaha. Ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy izao efa tafakatra 500 Ariary ny kapoaka. Ny vahaolana amin’izany izao no mahamaika indrindra, hoy izy. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana, indrindra ny praiminisitra sy ny minisitry ny varotra, ny « Légaliste de Madagascar » mba hijery lavitra sahady ny vokatry ny hain-tany ka miteraka ny tsy fahampian’ny vary mba hisorohana ny zavatra mety hitranga amin’ny fotoanan’ny maitso ahitra 2017.  Miangavy ny mpitondra fanjakana mba hametraka komity mpanara-maso ny fampandehanana sy ny famoahana ny vola mivoaka amin’ireny « subvention » izay nomena isaky ny distrika, izay mitentina 200 tapitrisa Ariary ireny ihany koa ny Legalista, mba fotodrafitrasa mivaingana no hita isaky ny distrika amin’ny fandaniana ny vola fa tsy lanilany fahatany amin’ny zavatra tsy ilain’ny vahoaka.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT