Politique

Leader Fanilo Tsy afa-po teny Ivato


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010

Na dia nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika teny Ivato aza ny antoko Leader Fanilo dia nilaza fa tsy afa-po tamin’iny fihaonambem-pirenena iny, araka ny nambaran-dRakotonirina Jean Claude, izay efa ministry ny varotra nandritra izao fitondrana FAT izao.

Araka ny fanazavan’ity ministra voatonontonana anarana matetika tamin’ny raharaha famoahana ny varin’ny Magro tao Toamasina ity dia be loatra ny fitavozavozana teny Ivato, indrindra fa nandritra ireo asam-baomiera. Tsy fantatra, hoy izy na fifandrifian-javatra ireny na niniana natao, fa ny azo antoka aloha dia nampikorontana ny fomba fiasa ilay izy. Nanamafy anefa izy fa mba nisy dingana vita ihany kosa aloha tamin’ny fihaonambem-pirenena, na dia teo aza ny tsy fahatomombanana isan-karazany. Ho an’ny Leader Fanilo manokana dia ny fanaovana fifidianana ihany no vahaolana amin’ny krizy, ka ny fifidianana solombavambahoaka no alefa mialoha.

Hita mazava mantsy eo izay ankatoavin’ny vahoaka, hoy Rakotonirina Jean Claude. Mila atao ao anatin’ny mangarahara tanteraka anefa izany fa tsy sanatria hanjakan’ny hosoka. Ity antoko ity moa dia nilaza fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana rehetra no sady tsy mandà ihany koa izay mbola mety ho fifampidinihana ho amin’ny famahana ny krizy. Farany dia nisarika ny sain’ny rehetra ingahy Rakotonirina Jean Claude, fa izao vao tena manomboka ny asa satria tsy ho mora ny hanatanteraka izay rehetra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT