Politique

Leader Fanilo mpanohitra Miantso ny vahoaka hitroatra


  • Sabotsy 17 Jona 2017

Nampahafantarin’ny antoko Leader Fanilo elatra Rabesa Zafera Antoine tetsy Antaninandro omaly fa nanapa-kevitra ny hiditra ao anatin’ilay

vovonana Force de changement hivondronana antoko sy fikambanana politika maro ry zareo. Antony, hoy ny filoha lefitra sady mpitondra tenin’ny antoko, Alphonse Randrianambinina, dia noho ny fahatsapana fa efa very hasina eo amin’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny ary tsy to teny sy tsy mahafehy ny mpiasam-panjakana intsony. Porofon’izany ny fitsaram-bahoaka imason’ny mpitandro ny filaminana sy ny fihoaram-pefy ataon’ireo mpitandro filaminana tany Toamasina kanefa tsy nisy fepetra noraisina, hoy ny fanazavana. Ala nenina farany ahafahan’ny fitondrana ankehitriny mamita ny taom-piasany ny fanekena ny tolokevitra voarakitra ao anatin’ny lalàmpanorenana hovolavolain’ny Force de changement. Na ny Mompera Pédro aza efa nilaza fa tokony hitroatra ny vahoaka fa tsy rariny intsony izao ary izahay koa dia miantso fitroarana toy izany. Efa nanamarika ny mpiara-dia amin’i Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny antenimieram-pirenena fa ity farany no filoha nasionaly ara-dalàna ara-taratasy eny amin’ny minisiteran’ny atitany. Mivaky roa tanteraka izany ity antoko noforonin’i Herizo Razafimahaleo ity ankehitriny.

Mirija       


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT