Mandray anjara mavitrika amin’ny fihaonambem-pirenena ny antoko Leader Fanilo ary vonona ny hifanome tanana amin’ny rehetra amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy.
Araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny Atoa Alain Rakotomavo dia mety amin’izy ireo, ary eritreretiny fa mety amin’ny rehetra ny hanatanterahana fifidianana haingana mba hamahana ny krizy, ka ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hotanterahana mialoha. Ny antonym, araka ny fahitan’ny Leader Fanilo azy dia mba hevitra sy fandaharanasa amin’izay no tohanana fa tsy olona tahaka ny nisy teto hatrizay. Lôjika kokoa, araka ny fahitan’ity antoko ity azy, raha miezaka ny mahatafiditra maro an’isa ao amin’ny Parlmenanta, ireo antoko efa mieritreritra ny hanolotra kandida filoham-pirenena. Ka amin’ny zava-mitranga manokana amin’izao krizy izao, dia afaka mandany ny famotsoran-keloka izay antoko manana ny maro an’isa ao amin’ny Parlemanta, mba hahafahan’ny kandidany milatsaka hofidiana filoham-pirenena. Voakasika manokana amin’izany moa ny antoko Tiako i Madagasikara, izay mety hanolotra an’i Marc Ravalomanana. Araka ny nambaran’Atoa Alain Rakotomaro dia tsy mety ny fomba nahazatra hatrizay teto amintsika, amin’ny fandrodanana fanjakana sy fanohanana olom-baovao, no heverina fa mesia hamonjy ny Malagasy amin’ny didy jadona.
Tokony hovaina tanteraka izany fomba fisainana izany, satria hita fa efa tsy nampandroso, hoy izy. Mikasika ny fahamaroan’ny antoko politika eto amintsika kosa, dia anisan’ireo mieritreritra ny Leader Fanilo fa tsy mety izany, raha ny tena marina dia 15 ny antoko misy eto, araka ny fahitan’izy ireo, satria ireo ihany no mahafeno ny fepetra takiana amin’izany hoe antoko politika izany, tahaka ny hoe manana mpikambana misoratra anarana sy mandoa latsakemboka ara-dalàna, manana ny rantsamangaikany amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy, mandray anjara amin’ny fifidianana rehetra. Noho izany indrindra dia tsy mety ny filazan’ny antoko sasany tamin’ny dinika politika sy nandritra ny fihaonambem-pirenena fa hoe mitovy ny antoko rehetra fa tsy misy antoko lehibe sy kely izany, hoy Atoa Alain Rakotomaro. Raharinaivo Andrianatoandro moa no anisan’ny niteny izany tamin’ny lahateniny nandritra ny fanasoniavana ilay fifanarahana politika teny Ivato. Tsy hitovy lenta mihitsy ny antoko lehibe efa nisy an-taonany maro sy ireo antoko mipoitra noho ny fitadiavan-tseza, araka ny fahitan’ny Leader Fanilo azy, ary tokony ho tena atao hentitra ny lalàna mifehy ny antoko politika amin’ny Repoblika faha-4 sy mandritra ny fifidianana rehetra izay hotanterahana ao anatin’ny fitondrana tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.