Politique

Laurent Ramaroson Mbola mila fanabeazana ny fanaovana politika eto


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Tsy tokony hahagaga ny fahamaroan’ny antoko politika eto amintsika amin’izao fotoana, satria tena mampiroborobo azy ireo mihitsy ny vanimpotoanan’ny krizy tahaka izao, araka ny hevitry ny filohan’ny vaomiera politikan’ny AVI, Atoa Laurent Ramaroson.

Tokony hisy anefa ny fampianarana sy fanabezana ny vahoaka sy ny mpanao politika satria tsy mety ihany raha maro be nefa malaza tsy hihinanana, tahaka ny lovian-tsahona izany antoko politika izany, araka ny filazany. Vitsy mantsy, hoy izy ny tena antoko mahafeno ny fepetra, fa ny ambiny dia dodona amin’ny hidirana ao amin’ny fitondrana sy hahazo seza fotsiny. Tsy natao hanangonan-karena na hitadiavam-bola velively anefa ny fanaovana politika, fa adidy kosa amin’ny fanasoavana ny firenena, araka ny nambaran’Atoa Laurent Ramaroson ihany.

Mbola maro be, araka ny nambarany, ny ezaka atao amin’ity sehatry ny fanaovana politika ity eto amintsika, satria hita fa tena tsy ampy fahalalana ny ankamaroan’ireo mieritreritra azy fa mpanao politika, ka mety ho izay no mahatonga ny olana miverimberina eto amin’ny firenena. Efa mananika ny 200 moa ireo antoko politika eto Madagasikara amin’izao fotoana, ary maro amin’izy ireo no mandray anjara mavitrika amin’ny fihaonambem-pirenena eny Ivato, ao ny tena mitondra soso-kevitra hametrahana Repoblika vaovao matanjaka, fa eo kosa no hita mibaribary fa tonga hivory mba hahazo seza fotsiny.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT