Politique

Lasa i Chissano Ny sazin’ny FAT mbola eo


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Nandao an’i Madagasikara omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, rehefa nivahiny teto nandritra ny hadimiana, fotoana nihaonany sy nihainoany ary nandraisany tolo-kevitra avy amin’ny mpanao politika na ny mpitondra na ny mpanohitra, ny fiarahamonim-pirenena, mpitondra fivavahana eny hatramin’ny foloalindahy aza.

Ny fihaonana tamin’i Andry Rajoelina no namarana ny diany omaly nialoha ny nandehanany. Tsapan’i Chissano taorian’ireo fihaonana samy hafa nataony fa misy ny finiavana hifanatona eo amin’ny Malagasy hikaroka vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Na izany aza dia nambarany mazava koa fa misy ny fisalasalana sy ny tsy fifampitokisana satria mbola tokony hivelatra kokoa amin’ny hery hafa ny fikarakarana sy fanatanterahana ny dinika santatra. Manantena anefa ity filoha mozambikanina teo aloha ity fa hisinda izany ahiahy izany raha misy ny fifanazavana sy adihevitra mialoha ny hanaovana fikaonandoham-pirenena manaraka eo. Hanao tatitra amin’ny Vondrona Afrikanina ny tenany amin’ny herinandro io, ary aorian’izany ny eo anivon’ny Vondrona SADC. Miandry izay heverin’ny Malagasy fa andrasany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa anefa izy. Na izany aza dia nohamafisin’i Joaquim Chissano fa mbola manan-kery ny sazy noraisin’ny filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina ny 18 martsa 2010, mihatra amin’ireo olon’ny FAT miisa 109, satria dia mbola resaka hafa ny fanalana izany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT