Politique

Lapan’i Mahazoarivo Nandray ny iraky ny OIF ny Praiministra


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Nandray ny delegasion’ny DAPG na ny « Direction des Affaires Politiques et Gouvernance démocratique » avy amin’ny Oif na « organisation Internationale de la Francophonie » notarihan’Atoa Tadjoudine ALI-DIABACTE,

manampahaizana iraisam-pirenena teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo omaly alarobia 7 jona ny praiminisitra Malagasy, Mahafaly Solonandrasana Olivier.  Manodidina ny fanomanana ny fifidianana hotontosaina eto amintsika amin’ny ho avy sy ho fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara no vontoatin’ny dinika nataon’ny roa tonta. Anisan’ny niaraha-nijery ny fanatsarana ny rijanteny mikasika ny fifidianana eto amintsika sy ny « code électoral » sy izay mety ho tohana horaisin’ny Oif. Nankasitrahan’ny praiminisitra ny amin’io tohana amin’ny lafiny rehetra mety hoentin’ny Oif ho antsika io. Hatramin’ny 10 jona izao no faharetan’ity delegasiona ity eto amintsika ka mbola hisy ny fitsidihan’izy ireo ny rafi-panjakana isan-tsokajiny misy eto Madagasikara.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT