Politique

Lapan’ny tanŕna Misy mikasa handoro


  • Alakamisy 25 Aogositra 2016

Manoloana ny fihetsiketseham-panoherana nataon’ireo mpivarotra tsy ara-dalŕna mandŕ ny fanadiovana ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly dia mahalasa ny eritreritra ny fahitana azy.

 

 

 

 


Nahoana no io andro io vao nitroatra ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna, ary nanambana hanimba zavatra sy hanao amboletra hiditra ao amin’ny Lapan’ny tanàna ? Handroba sy handoro ? Ary nahoana no nahitana mpitarika mibaiko dia manome ny teny rehetra avoakan’ireo tsy manara-dalàna ? Tetika efa nomanina, mba hanalana ny Ben’ny tanàna amin’ny toerany iny omaly iny. Rehefa tsy nahomby tamin’ny resaka fako nivangongo teto Antananarivo Renivohitra ka nanaovana antsojay an’i Lalao Ravalomanana ireo jiolahy politika dia ny mpivarotra tsy ara-dalàna manemotra ny “trottoir” natokana ho an’ny mpandeha indray no hetsehina, saronana amin’ny hoe : tsy mijery ny madinika. Angaha moa rehefa madinika dia tsy tokony hanara-dalàna ? Mazava ny tanjon’ireo mpivoy ny hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna, dia ny tsy handoa haba tokony hiditra amin’ny kaominina hahavitany ny asa sosialy fanasoavana ny fiainam-bahoaka sy ny tanànan’Antananarivo, nampanantenan’i Lalao Ravalomanana ny mponin’Antananarivo tamin’ny fifidianana tamin’ny taon-dasa. Sakanana tsy avela handeha ny haino aman-jerin’ny kaominina ahazoana mitaiza ny vahoaka mba samy ho mpiray raharaha amin’ny  fitantanana ny tanàna iraisana. Nanamafy ny mpiadidy ny tanàna fa tsy maintsy diovina ny gaboraraka ; tsy maintsy miroso amin’ny fanomezana fenitra toy ny tanàn-dehibe eran-tany Antananarivo. Tsy mihemotra amin’ny fanadiovana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, satria efa tsapan’ny vahoaka ny tombontsoa amin’izany. Nihena ny tabataba sy ny korontana niaretan’ny mpianatra sy mpiangona tamin’ireo sekoly sy Fiangonana manodidina. Nisy fihenany koa ny mpanao sinto-mahery ary manomboka mikorisa ny fifamoivoizana. Mbola manentana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna amoron-dalana ny tompon’andraikitra kaominaly hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna ka hanohy ny asa fivelomana amin’ny toerana efa noheverin’ny Kaominina hametrahana azy ireny.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT