Hentitra ary matotra ny fanamarihana nomen’ny Tale jeneralin’ny TAFITA (Tahiry Aina ho an'ny Fanatanjahantena sy Itsinjovana ny TAnora ), Rakotomanana Luciano Erick, tafaresaka fohy tamin’ny Tia Tanindrazana ny zoma 25 janoary teo fa tsy azo andraisana hetsika politika intsony ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Mahamasina manomboka izao.
Fanapahan-kevitra noraisina niaraka tamin’ny ministeran’ny fanatanjahantena izany, hoy izy, mba tsy hisian’ny fandikana ho zavatra hafa izany na koa tsy handraisana an-dRanona na Ranona. Tahaka izany koa ireny hetsika ara-pinoana samihafa ireny, hoy ihany Atoa Luciano Erick. Mbola lasa alavitra tamin’ny hoe tsy tokony handraisana hetsika ara-javakanto intsony aza ny soso-kevitry ny minisitra Botralahy, hoy ity Tale jeneraly ity, saingy noresenay lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny fidiram-bola hikojakojana ity toerana ity izy ka nanaiky ihany.
Hoferana ny isan’ny mpijery ao amin’ny lapa satria faritra nisy honahona nototofana no nananganana ity toerana ity ka misy rano miandrona mety hampalemy ny gorodona ny fanambaniny raha vesarana lanja tsy mifanaraka amin’ny ara-dalàna. Raha ny marina, hoy Rakotomanana Luciano Erick, dia tokony hisy fikojakojana sy fanoloana singa samihafa isaky ny folo taona ao amin’ity Lapa ity, ary efa dila izany ankehitriny. Ny olana anefa, ny sinoa efa tena mivoatra be ka izay fitaovana simba amin’io lapantsika io dia voatery foronin’ireo teknisianina sinoa mipetraka ao amin’ny Faritry ny lapa avokoa. Ohatra noraisiny tamin’izany ireo aron-jiro samihafa haingon’io toerana io, na koa ireny tabilao elektronika ireny … Tsy misy any Sina intsony ny fanolo amin’ireny, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.