Politique

Lapan’i Mahazoarivo Halohalika ny ranombary


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Tsy niandry ela fa ora vitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena, dia nanao fanambarana ny praiministra Camille Vital, niainga avy eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, nilaza fa entina mba tsy hahatanteraka ny fitsapan-kevi-bahoaka iny, ary fomba entina hanakorontanana ny saim-bahoaka fotsiny ihany.

Niantso ny Malagasy ho tony izy tamin’izany ary nampahatsiahy fa efa voadinika tamin’ny “Assises militaires» tamin’ny taon-dasa ny aretina mikiky ny foloalindahy. Tamin’ny teny hentitra kosa anefa no nilazany fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary hampiharina amin’ireo mihoa-pefy ny lalàna. Nanamarika anefa ny mpanao gazety fa somary nangovitra ihany ny jeneraly Vital namaky ny fanambarana teny an-tanany, midika fa halohalika ny ranombary. Nanotrona azy tamin’izany moa ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien (ministry fiarovam-pirenena), ny jeneraly Rabarisoa Ranto (filohan’ny komitim-pirenena momba ny fiarovana), ny jeneraly Randrianazary (Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena), ny jeneraly Ndriarijaona André (lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika), izay samy nanao fanamiana miaramila avokoa. Ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, moa tetsy andaniny raha nandalo nizaha fanisam-bato tamin’ny birao fandatsaham-bato teny Ambatobe teny dia nilaza fa vahoaka no nitaky fanovana teto, ary tsy matahotra izy manoloana ny fandrahonana miantefa aminy sy ny fitakiana ny fialany amin’ny fitantanana ny firenena. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Nandritra ny fanambarana teny Mahazoarivo. (Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT