Politique

Lapa maitso Anosikely Nifanazava ny CNOSC sy ny FAT


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Nihaona tamin’ny mpikambana FAT tao amin’ny lapa maitso Anosikely ny firaisamonim-pirenena ny talata 27 jolay teo. Tamin’izany no nitondran’i Velompanahy Aristide sy Randriamampionona Lalao, samy mpikambana ao amin’ny firaisamonim-pirenena, fanazavana ny antom-pisian’ny CNOSC izay fitambarana vondrona maromaro dia ny «Alliance des Organisations de la Société Civile», ny CNOE ary ny «Coalition des Sociétés Civiles».

Ny tanjony dia ny mba hivoahana amin’ny krizy hirosana amin’ny fifidianana izay eken’ny vahoaka Malagasy. Amin’ny alalan’ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy no hiaraha-manatanteraka izany. Voalaza tao fa ny CNOSC dia hiandraikitra ny fampanatonana ny ankolafin-kery politika tsy mitovy fihevitra.

Nisy ny fifanakalozam-panontaniana izay nataon’ny mpikambana ao amin’ny FAT tamin’ireo solontenan’ny CNOSC ireo. Nisy ny niahiahy ny fomba fiasan’ny fikambanana sao dia hivaona amin’ny zavatra hafa, tao koa ny nanome fampirisihana mba hanohizana haingana ny asa mba hahafahana miala amin’ny tetezamita, ny toe-tsain’ny mpikambana manoloana ny dinikasa ataon’izy ireo, tao koa ny nanontany ny fihaonan’izy ireo tamin’i Joaquim Chissano, ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny CCC.
Nambaran’ny CNOSC fa mpanelanelana sy mpanamora adihevitra eo amin’ny mpanao politika ary anjaran’ny mpanao politika ny manome hevitra fa izy ireo no mandinika ny fomba famahana ny olana misy amin’ireo mpanao politika ireo, mametraka ny Repoblika faha-4. Ny tena andrasan’ny CNOSC dia ny fandraisana anjaran’ny tsirairay avy amin’ny famahana ny krizy. Manaiky ny fisian’ny CNOSC ary hanohana azy ireo ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina raha toa ka ny fiarahamonim-pirenena rehetra no mandray anjara amin’io fikambanana io, ny dinika rehetra efa vita sy mbola hovitaina dia mbola hoentina eo amin’ny fihaonambem-pirenena, ny CNOSC dia tsy misy fifandraisana amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny CCC. Teo am-pamaranana moa dia nilaza ny mpitarika fa hihaona amin’ny Raiamandreny Mijoro ny mpikambana ao amin’ny FAT anio maraina.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT