Politique

Lany I Donald Trump Mihorohoro izao tontolo izao


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Nivadika ny rasa. Ny Repoblikanina no hitantana an’i Etazonia manomboka izao. Ilay mpanefoefo 70 taona Donald Trump no lany hitantana ny Bekintana ao anatin’ny 4 taona.

Mpifidy vaventy miisa 276 no nandany azy raha toa ka 218 kosa ny an’i Hillary Clinton avy amin’ny antoko demokraty, izay notohanan’i Barack Obama. Iray tamin’ny tsapan-kevitra miisa 51 natao nialoha ny fifidianana no nandreseny saingy nitsimbadika ny rasa, izay nanamarina ny fandalinana nataon’ilay manampahaizana Pr Allan Lichtman, fa i Donald Trump no ho lany filoham-pirenena na dia nitarika foana aza i Hillary Clinton tany amin’ny tsapan-kevitra. Atahoran’izao tontolo izao i Donald Trump noho ny politikany izay hanamafy ny herin’i Etazonia eo amin’ny fifehezany izao tontolo izao izay voafehy amin’ilay teny filamatra hoe “Make America great again” izay midika ho politikan’ny fanjakazakana. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena dia hampifanatona bebe kokoa an’i Rosia sy Etazonia ny fahalaniany. Mety harefo kosa ny fifandraisan’ny Amerikanina amin’ny sinoa, indrindra eo amin’ny sehatry ny varotra satria hampitomboin’ny Amerikanina ny haba halaina amin’ny entana avy any Chine. Ity firenena ity mantsy no tena atahoran’ny Amerikanina hisongona azy ka nametrahan’i Donald Trump ny politika hitazona ny maha lohalaharana an’i Etazonia amin’ny sehatra rehetra. Toa tsinjo aty am-piandohana fa mety hisy fifandonana madinidinika eo amin’ireto firenena roa ireto noho i Chine izay tombanan’ny mpandinika fa ho tany matanjaka indrindra any amin’ny taona 2020. Eo amin’ny sehatra hafa dia nilaza i Donald Trump fa hofoanany ny fifanarahana momba ny fiarovana ny tontolo iainana (COP 22) izay misy resa-bola be natao tany Paris ary politika vaovaony ny hanampiana tosika ny resaka indostria. Mety  hanova zavatra any Frantsa ny fahalaniany satria i Marine Le Peine, izay anisan’ny kandida amin’ny 2017 dia tsara fifandraisana amin’i Donald Trump ka raha lany ity farany dia hisy mangirana ny diplaomasia Amerikanina sy ny Frantsay. Matahotra mafy an’i Donald Trump ny Eoropeanina izay efa lasa nizarazara noho ny “Brexit”. I Rosia izay efa tsy azoazon’ny vondrona Eoropeanina ihany no tsara fifandraisana aminy kanefa atahoran’ny Eoropeanina mafy ny politikan’i Vladimir Poutine. Vao mainka mitombo ny horohoro amin’ny fifanatonan’ny roa tonta ary  mety hisy ny fitsanganan’ny vondrona iray lehibe hanohitra azy ireo ka izay no hanombanan’ny maro mety hitarika any amin’ny fipoahan’ny ady lehibe fahatelo. Ireo firenena matanjaka toa an’i Chine rahateo dia tsy hipetra-potsiny fa tsy maintsy hampiseho ny tanjany amin’ny lafiny rehetra ihany koa. Hanamafy ny politikan’ny Repoblikanina amin’ny ady amin’ny fanjakana islamika ihany koa ity filoha ity. Ny 20 janoary 2017 i Donald Trump vao tena handray ny fahefana.
Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT