Politique

Lanto Rakotomavo Fehin-kevitry ny SADC ihany ?


  • Talata 21 Jona 2011

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe Rtoa Lanto Rakotomavo, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny sabotsy 18 jona lasa teo, nitondrany fanazavana mikasika ilay fehin-kevitry ny SADC tatsy Sandton farany teo ka nilazany fa mizotra tsara ny fanelanelanana ataon’ny vondrona SADC na dia tsy tena nifanaraka tamin’ny eritreritry ny maro aza izany.

 . Tsy nampoizina na tsy fantatra, hoy izy ny dingana arahina amin’ny fanelanelanana iraisam-pirenena toy izao fa hay dingana maro ilay izy. Na izany aza dia azo lazaina fa betsaka ny fanantenana na dia ifandroritana aza ny fehin-kevitra ka tsy maintsy arahina ihany koa mba ahazoana ilay fankatoavana izay tena tsy mora ny fahazoana azy. Aminy dia izay hirosoan’ny tetezamita amin’ny fifidianana no maika ary tokony hatao haingana. Ny ankoatra izay dia miady hevitra amin’ny tsy antony fotsiny. Milaza moa Rtoa Lanto Rakotomavo fa efa vonona hiatrika fifidianana ry zareo ary manantena fandresena ihany koa. Efa vonona ny lalàm-pifidianana ka tsy tokony hisy olana intsony ny fanatanterahana azy, hoy izy. Raha ny filazany ihany anefa dia tsy mbola voafaritra ny datin’ny fifidianana satria miandry ny fanjakana foibe izany.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT