Politique

Lanto Rabenatoandro “Diso izay mihevitra fa efa tetezamita io misy io !”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

Nafana tanteraka ny hetsiky ny legalista tao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe ny sabotsy 06 aogositra teo.

 Vory lanona avokoa ireo Parlemantera rehetra voafidy tao Vakinankaratra tamin’io sabotsy io, notronin’ny delegasiona avy aty Antananarivo. Nandritra ny fandraisana fitenenana nataony no nitateran’Atoa Lanto Rabenatoandro, Senateran’i Vakinankaratra teo aloha, fa “tsy hisy fifidianana izany eto Madagasikara raha tsy mipetraka ny tetezamita tena iraisana sy eken’ny rehetra ary amin’izao fotoana izao dia diso izay mihevitra fa efa tetezamita io misy io”, ary tsy ho ela hoy ihany ity olom-boafidy ity ny fametrahana izay tetezamita izay ka aorian’ny fanatanterahana ny sonian’ilay tondrozotra nankatoavin’ny CPS farany teo, izay vao miroso amin’ny fametrahana ireo rafitra rehetra ao amin’izany tetezamita izany. Nanamafy ny Senatera Lanto Rabenatoandro fa “ho avy ny filoha Ravalomanana” ary “tsy ho ela intsony izany ary tokony ho vonona amin’ny fandraisana azy isika vahoaka”. Ankoatra izay dia manomboka mipetrapetraka ny fanentanana ireo vahoaka ao Vakinankaratra amin’izay fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana izay ka amin’ity herinandro ity dia hitety ireo Distrika mandrafitra an’i Vakinankaratra ireo mpitarika, hanao ny fanentanana eo ihany koa ny fampahafantarana ny vaovao marina amin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo Delegasiona avy aty Antananarivo moa dia tonga maro be koa ireo mpitolona avy any Antanifotsy sy Ambohimandroso ary ny avy any Betafo io sabotsy io.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT