Politique

Lanonana fifampiharahabana eny Mavoloha : Tsy tokony ho eny ny Ankolafy Ravalomanana


  • Talata 08 Janoary 2013

Mpanao politika vitsivitsy mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita no nametrahan’ny Tia Tanindrazana fanontaniana mivantana mikasika ny andrasan’izy ireo amin’ireo kabary hifandimbiasana eny amin’ny Lapam-panjakana Mavoloha rahampitso alarobia 9 janoary mandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2013 hifanaovan’ny andrim-panjakana samihafa eto amintsika miaraka amin’ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto koa.

  Hoan’ny CT Alarakhia Salim Meraly avy any Sofia ary voatendry avy amin’ny Monima-Uamad, dia tohiny ny tamin’ny 31 desambra 2012 no hiseho eny, izany hoe fiziriziriana filazana ny zava-bita fotsiny ary fanomezana bonane avy any Israely hoan’ny sokajin’olona voatokana. Tsy tokony ho eny Mavoloha ny Ankolafy Ravalomanana tarihan’ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo satria ny tantara tsy mba fanadino fa raha ny zava-boalazany teny tamin’ny taon-dasa aloha hatreto dia mbola ny teo ihany no teo. Tokony hanao fanambarana mialoha izy anio talata 8 janoary hamerina amin’ny laoniny ny zava-boalazan’ny tondrozotra dia izay.

Hoan’ny CT Randriamamizafy Ignace, Ankolafy Ravalomanana kosa, andrasany avy amin’ny mpitarika Mamy Rakotoarivelo ny hilazany fa ampy izay ny avy amin’ny PM Omer Beriziky dia ny hilazany indray fa hampihariny tsy misy fepetra ny tondrozotra izay “patron”ny, avy amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina moa tsy dia misy andrasako aminy satria tsy hanambara velively ny mety hilatsahany ho fidiana izy fa ny fitanisana ny hopitaly sy kianja manara-penitra no tsy maintsy ataony ary ny an’ny filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita moa dia tsy hita loatra fa efa latsaka analenelany tahaka ny kaka rangahy iny. Ny firariako dia ny fialan-dRajoelina sy ny governemanta iray manontolo ary ny CST sy CT hatramin’ny Lehiben’ny Faritra sy Ben’ny tanàna sns… ary anisan’izany ny tenako ka ho olom-boafidy na olom-boatendry vaovao no hitantana amin’ny 26 jona 2013.

Hoan’ny CT Razafindrakoto Fidy Mamy Helson Besetroka avy amin’ny ankolafy UDR-C kosa dia tsy misy afa-tsy ny fijerena ny sosialim-bahoaka no handrasany amin’ireo kabary rehetra eny Mavoloha rahampitso. Izy dia niakatra manokana avy any Ambatondrazaka fihaviana hanatrika ity lanonana ity fotsiny ary hiverina malaky any indray satria efa avy ny oarana ka fotoam-piasana tanimbary any izao.

Hoan’ny CT Ravelonanosy Mamy Tina, Ankolafy Ravalomanana Ankazobe indray ny andrasany rahampitso dia ny hiverenan’ny zava-niseho tamin’ny taon-dasa saingy amin’ny endriny hafa  ary hanambaran’ny filoha Mamy Rakotoarivelo indray fa hatao tahaka ny eto amin’ny Magro ny sehatra rehetra itenenana eny anivon’ny andrim-panjakana rehetra nidiran’ny ankolafy Ravalomanana saingy atao amin’ny endrika am-panajana tanteraka. Raha Ingahy Rajoelina sy ny Praiministra Berziky aloha dia samy tsy manam-piniavana ny amaha ny krizy izany.

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT