Tsy hisy fanambarana politika mihitsy mandritra ny lanonam-pifampiarahabana eny Iavoloha rahampitso, fa amin’ny fotoana manaraka izay hambara miandalana eny ihany no hanaovana ny fanambarana politika.
Izay no votoatin’ny fanambarana ofisialy navoaky ny fiadidiana ny tetezamita omaly. Mazava izany ny resaka eto fa dia fety aman-danonana tahaka ny fanao isaky ny Asaramanitry ny voalohan’ny taona no tena hibahan-toerana eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso tontolo andro. Tsy hisy ny fanambarana politika ary tsy mbola ho rahampitso, na amin’ity herinandro ity akory aza, ny hahafantarana na ho kandida ihany na tsia i Andry Rajoelina. Efa karazana toromarika ho an’ireo hikabary ihany koa ity fanambaran’ny prezidansa ity, fa dia fifampiarahabana sy fifampirariantsoa no atao fa tsy hisy resaka politika mihitsy na inona na inona mety ho endriny. Dia asa aloha raha hilefitra amin’izany ireo filohana andrim-panjakana sasany tahaka ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo sy ny praiminisitra Jean Omer Beriziky fa dia izay izany aloha ny toromarika ofisialy navoakan’ny ekipa tao Ambohitsorohitra, izay hita fa mikaroka ny fomba rehetra mba hanakonana sy hanarontsaronana ny tena marina. Fanapenam-bava amin’ny fomba mihaja no azo hanasokajiana ity toromarika ity ary miantefa amin’ireo mpikabary tsy zatra misolelaka amin’ny filohan’ny tetezamita.
Amin’ny lafiny iray dia azo raisina ho fialana bala avy amin’ny filohan’ny tetezamita koa izy ity. Miandry azy ny rehetra, izy anefa tsy tena mbola tapa-kevitra ny amin’izay hataony marina ka naleony aloha miala bala sy mangataka fotoana. Dia mody ambara fa ho fanomezam-boninahitra ny firenena sy ho fanajana ny vahoaka Malagasy izay te hianoka ao anatin’ny fety sy lanonana mendrika ny vanim-potoana tahaka izao, no ho tanterahana. Asa moa hoe, tahaka ny ahoana no hamaritana ny atao hoe kabary politika amin’ny prezidansa, fa ny mahazatra dia tsy maintsy misy ny kabary politika mandritry ny lanonana ara-panjakana tahaka izao. Raha ny fitenin’ny tanora no indramina dia tsotra no hamintinana izany rehetra izany : io fa mitsatsaka !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.