Politique

Lalatiana Ravololomanana “Tokony hiaiky i Andry Rajoelina fa tsy mahavaha olana”


  • Zoma 07 Mey 2010


Tsy vahaolana amin’ny krizy ny fizarana amin’ny tafika ny minisitera sasany ao amin’ny governemanta. Miteraka fizarazana eo amin’ny fiarahamonina sy ny foloalindahy izany raha ny hevitry ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena, tarihin’i Lalatiana Ravololomanana. Porofon’izany ny fisian’ny miaramila izay miandany amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) ka manao tsy omby aloha hiditra ao amin’ilay governemantan’ny fanavotam-pirenena tian-kapetraka. Etsy an-daniny anefa dia misy koa ny ampahany amin’ny foloalindahy toy ny Komanda Roger Luc sy ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny FIGN na Hery vonjy taitran’ny Zandary izay mitsipaka ny fandraisana anjaran’ny tafika amin’ny fahefana mpanatanteraka. Manao antso avo amin’ny tafika, araka izany, i Lalatiana Ravololomanana, mba tsy hiditra amin’ny fifampiandaniana ka hikatsaka miaraka ny famerenana ny hasiny amin’ny maha tandroka aron’ny vozona azy. «Ny fanerena ireo mpanao politika amin’ny fifampidinihana no anjara andraikitra tokony hataon’ny tafika. Sady hampisara-bazana anareo miaramila mantsy ny fisian’ny fizarazarana no tsy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena akory», hoy i Lalatiana Ravololomanana. Miantso an’i Andry Rajoelina koa izy hanetry tena ka hiaiky fa tsy mahavaha olana ny tenany ary hiverina hifampidinika an-databatra boribory miaraka amin’ireo ankolafy efatra sy ireo firehana hafa ihany koa. Ny fiaingana amin’ny foto-pisainan’i Maputo sy Addis Abeba no fomba tsotra indrindra itondrana ny dinika amin’izany raha ny fanazavany ihany.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT