Politique

Lalatiana Ravololomanana Sinema no betsaka eto


  • Zoma 01 Oktobra 2010

Ny vahoaka Malagasy mihitsy no mahatsapa fa tsy mahazaka fahefana i Andry Rajoelina ka tokony hametra-pialana ny tenany.

Izay no hetahetan’ireo vahoaka any ambany ravinkazo nifampitafa tamin’ny delegasion’ny Ankolafy Telo nandritra ny diany tany amin’ny faritra Sofia sy SAVA izay nifanandrify indrindra tamin’ny fikaonandoham-pirenena teto an-drenivohitra araka ny tatitra nataon-dramatoa Lalatiana Ravololomanana. «Misora-tena ho raiamandreny Rajoelina kanefa tsy mahafantatra akory ny fahorian’ireo vahoaka ny tenany. Manginy fotsiny ny vonjy ranovaky momba ny karaman’ireo mpiasan’ny oniversite, ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka, ny mpitsara ary ny zava-misy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina». Nambarany koa fa tsy manan-kery ny fanapahan-kevitra tapaka nandritra iny fikaonandoham-pirenena iny satria tsy mahasolotena ny Malagasy ireo mpandray anjara notsongain’ny FAT hanindrahindra ny filohany mba hahafahany mirotsaka hofidiana. «Sinema avokoa no natao teny Ivato mba hanamafisana ny fanjakan’olon-tokana ka nampiasana ny Raiamandreny Mijoro».

Hany ka mifanipaka toy ny valala an-karona ny mpikarakara sy ireo mpandray anjara toy ireo sesitany tamin’ny krizy 2002 izay mahatsiaro tena ho nofitahana tamin’ny famoahana tatitra vilana momba ny famotsoran-keloka. Fanaovana tian-kano tsy tian-kano koa ny famolavolana lalàmpanorenana iray monja izay hakana ny hevitry ny vahoaka. Efa ny 12 febroary anefa ity vehivavy mpanao politika masia-piteny ity no nanolotra soso-kevitra fa fifidianana lalàmpanorenana no tokony hatao fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka ka volavolan-dalàmpanorenana maro no isafidianana. Na ny mpikambana ao amin’ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana, Atoa Rajoelina Patrick aza manana tsikera, hoy ity filohan’ny Manda ho an’ny Firaisampirenena ity.

Momba ny fanesorana ny ben’ny tanàna indray dia nambarany fa fanonganam-panjakana fanindroany indray izany satria izy ireo sisa no rafitra ara-dalàna amin’ny maha olomboafidim-bahoaka azy. «Midika ireny fanapahan-kevitra ireny fa tena jadona no misy eto». Raha ny heviny dia tsy misy afa tsy ny fiverenana an-databatra boribory tarihin’ny CNOSC ihany no vahaolana ka ireo Hery roa matanjaka amin’izao fotoana no mifampidinika. Andaniny ireo mpomba ny FAT sy ny fikaonandoham-pirenena ahitana ny UDR, ny ESCOPOL, ny HPM ary ankilany kosa dia ireo rehetra izay manohitra izao tetezamita izao toy ny Ankolafy Telo, ny Monima ary ny mpanohana ny profesora Ranjeva. Azo iadian-kevitra avokoa na ny Satan’i Maputo na ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena na ny Vonjy Ainan’i Ranjeva Raymond raha ny fanazavany ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT