Ho an-dRtoa Lalatiana Ravololomanana dia tokony hatao araka ny lalàna sy rariny ny fitsarana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha toa ka misy tokoa ny fanenjehana azy.
Nambarany fa ny Haute Cour de Justice no tokony hitsara ny filoham-pirenena am-perinasa fa tsy fitsarana tsotra, satria izay no voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenena ka tokony hohajaina. Momba ireo miaramila voaheloka sy voafonja noho ny raharaha hafa kosa tahaka ny tamin’ny 7 febroary 2009 dia nambarany fa manatanteraka baiko fotsiny ireo miaramila ireo ary tena azo ambara mihitsy hoe niharan’ny tsy rariny. Amin’i Lalatiana Ravololomanana mantsy dia mibaribary be fa natao fitaovana politika ny fitsarana malagasy, izany hoe natao anamelohana sy anagadrana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana ary baikon’ny fahefana mpanatanteraka tsotra izao.
Tsara homarihina ihany fa anisan’ireo nanao sesitany ny tenany ary nipetraka tany Frantsa nandritra ny fitondrana Ravalomanana Rtoa Lalatiana Ravololomanana, nanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina izy tamin’ny 2008 sy 2009. Nanomboka niova hevitra kosa anefa izy taorian’ireo dinika tany Maputo ka niteny ny tsy mety ataon’ny FAT sy ny zavatra tokony hatao mba hivoahana amin’ny krizy. Nivadika ho mpanohitra tanteraka kosa izy rehefa nahita sy nahatsapa fa tena nivily lalana tanteraka ny fanovana nampanantenaina ny olona ka nandrodanana ny fitondrana teo aloha. Mpikambana feno ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ny tenany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.